Socio-eco

ZO SY FAHASALAMANA ARA-PANANAHANA: Mitaky ny hanafainganana ny fankatoavana ny “Protocole de Maputo” ny CNFM


“Tsy mbola voahaja ny zo ara-pananahana eto Madagasikara ary tandindomin-doza ny fahasalamana ara-pananahan’ny vehivavy”, hoy i Andriamasy Estelle, Filohan’ny Conseil National des Femmes de Madagascar (CNFM). Nanambara izy fa ilaina ny fanentanana sy fanabeazana ary ny firesahana ny fahasalamana ara-pananahana mba ialana amin’ny hoe: fady ny miresaka izany nefa misy fahafatesana be dia be ao ambadik’izany. Raha ny zava-misy, vehivavy 10 isan’andro eto Madagasikara no maty aorian’ny fiterahana, araka ny tombana navoakan’ny sampandraharahan’ny firenena mikambana misahana ny fahasalamana (OMS). 426 ny vehivavy maty am-piterahana amin’ny zaza teraka 100.000, araka tatitry ny Tahirimbolan’ny firenena mikambana ho an’ny fahazazana (UNICEF) momba ny fanadihadiana isam-bondrona mahasahana tondro maro (MICS), natao tamin’ny 2018. Vinavinaina ho 75.000 isan-taona ny trangana fanalan-jaza antsokosoko ka vehivavy 575 amin’ireo no maty vokatr’izany. Ho fanamafisana ny fanentanana sy fampahafantarana ny vehivavy sy tovovavy momba ny zo sy fahasalamana ara-pananahana indrindra no namoronan’ny CNFM ny tetikasa “INNOVACTION”. Ao anatin’ny sahan’asa ho ataon’ny fikambanana ny hampanan-kery ny fifanarahana momba ny sata afrikanina  ho fiarovana ny zon’ny vehivavy (Protocole de Maputo). Efa nanasonia io fifanarahana ny firenena malagasy, ny taona 2004, saingy tsy mbola nankatoa izany.  Voafaritra ao anatin’io daholo anefa ny zon’ny vehivavy, toy ny zo amin’ny fiahiana ara-tsakafo, zon’ny vehivavy maty vady, fiarovana ma okan ny vehivavy manana fahasembanana, fahasalamana sy fanarahamaso ny fiainana  ara-pananahana, fisitrahana fanabeazana….

Nambaran’ny Filohan’ny CNFM fa fitaovana manan-danja hiarovana ny zon’ny vehivavy ny « Protocole de Maputo ».  Raha mankatoa ny fifanarahana i Madagasikara dia anisany tombontsoa ho azon’ny vehivavy amin’izany ohatra ny ao amin’ny andininy faha-14, miresaka momba ny fahasalamana sy fanarahamaso ny fiainana  ara-pananahana. Voafaritra ao amin’ny andalana faharoa  fa ny fanjakana no mandray ireo fepetra araka ny tokony ho izy ahafahana : (a) miantoka ny fidiran’ny vehivavy amin’ny tolotra ara-pahasalamana sahaza, amin’ny sandany mirary sy amin’ny toerana akaiky azy, tafiditra ao anatin’izany ireo fandaharam-potoana hanomezana fiofanana momba ny fanabeazana sy ny fifandraisana ho an’ny vehivavy, indrindra ireo eny ambanivohitra, (b) manolotra sampandraharaha misahana ny fandraisana an-tanana ny vehivavy mialoha sy aorian’ny fiterahany, misahana ny ara-tsakafo mandritra ny fotoana hitondrana vohoka sy ao anatin’ny fampinonoana ary miantoka ny fanatsaràna ny servisy efa misy. Ny tapany (c) amin’io no antony tsy ankatoavin’i Madagasikara ny “Protocole de Maputo” izay miresaka momba ny fanomezana alalana ny fampitsaharana vohoka ara-medikaly, raha toa ka vohoka azo avy amin’ny herisetra ara-pananahana, na fanolanana, na firaisana ara-nofo mamoafady na koa raha mampidi-doza ny fahasalamana ara-tsaina, ara-batan’ilay reny na ny ain’ilay reny ny ain’ilay zaza ao an-kibony. Ankoatra io andininy faha-14 io anefa dia marobe ny zo hafa voaresaka ao. Marihina fa misy andininy 32 ny fifanarahana. Hanentanana ny mpitondra ara-drazana momba zon’ny vehivavy mba ahafahan’izy ireo manentana vahoaka ary hanazavana misimisy kokoa amin’ny Solombavambahoaka ny maha zavadehibe ny Protocole de Maputo sy ny antony hanafainganana ny fankatoavana izany no antom-pisian’ny tetikasa INNOVACTION.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *