Socio-eco

ZAH@GEEK 2.0: Hitombo avo roa heny ny mpiasa ho raisina


Hetsika natokana ho an’ny asa miompana amin’ny nomerika ny Zah@Geek. Orinasa 30, mitady mpiasa mahafehy ny nomerika no nandray anjara tamin’ny andiany faharoa. Nahasarika tanora marobe ny hetsika satria tanora manana diplaoma sy mpitady asa manodidina 3000 no nitsidika ny hetsika nandritra ny roa andro. Ny 30 jona sy 1 jolay 2023 teny amin’ny Gare Soarano no nanatanterahana  ny Zah@Geek 2.0 . Ankoatra fampahafantarana ireo tolotr’asa, fandraisana ny CV an’ireo  mpitsidika dia nisy ihany koa torolalana ahafahana miditra amin’ny sehatry ny asa tamin’ny alalan’ny famelabelaran-kevitra momba ny asa nomerika, ny «Masterclass» ary «hackathon». Raha ny andiany voalohany, ny volana janoary 2023 dia nahomby ny hetsika satria 3000 ny mpitsidika nandritra ny roa andro, CV miisa 1000 ny voaray. Tanora 150 mahery no tafiditra tamin’ny sehatry ny asa. « Irariana mba hitombo avo roa heny ny tanora hahazo asa amin’ity andiany faharoa ity», hoy Razafindramalo Tahina, Ministry ny fampandrosoana ny nomerika, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra nandritra ny fanokafana ny Zah@Geek 2.0. Anisany mamaly mivantana ny firosoan’i Madagasikara any amin’ny fampiasana ny nomerika tanteraka sy ny fampanana’asa ny tanora Malagasy manam-pahaizana amin’ny informatika ity hetsika momba ny asan’ny nomerika ity.

Tafiditra ao anatin’ny iraka ataon’ny Orange Dogital Center (ODC) eto Madagasikara toy ny fanofanana tanora anarivony momba ny teknolojia nomerika ny Zah@Geek 2.0. Manana fandaharan’asa maro toy ny «école du code», «Fablab» ary ny fanosehana ireo tompona tetikasa ary Orange Fab ity ivon-toerana  fampianarana ara-teknika sy fampiofanana arak’asa ity. «Nandritra nametrahana azy teto Madagasikara, mpiofana 1900 no voaofana tato amin’ny Orange Digital Center. Vehivavy tanora ny 60 %  tamin’izy ireo. 600 tamin’ireo mpiofana no efa miasa», hoy i Frédéric Debord, Tale Jeneralin’ny Orange Madagascar. Marihina fa maimaim-poana ny fampiofanana omen’ny ivon-toerana.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *