Socio-eco

WAKA WAKA FESTIVAL: Ampifandraisina ny kolontsaina sy sosialy


Sady manandratra ny kolotsaina no mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny sosialy. Hetsika lehibe mampifandray ny lafiny kolontsaina  sy  sosialy ny Waka Waka Festival. Ho tanterahina ny 5 ka hatramin’ny 8 desambra 2024 any Sambava ny andiany fahatelo. Marobe ireo hetsika ho  karakaraina mandritra ny “festival”, toy ny diabe, fampisehoana an-tsehatra miaraka amin’ireo mpanankato malaza avy eto an-toerana sy avy any ivelany, ny fifaninanana hatsaran-tarehy amam-bika na “Miss Waka Waka”, ny “village Waka Waka”, ny toerana natokana ho an’ny ankizy na “Waka Waka Kids”, ny fifaninanana hazakazaka sy basketball ary ny “WakaWaka awards”. Hanafana ny fampisehoana an-tsehatra  ny mpanakanto Big MJ sy Arnaah. Ho avy eto Madagasikara ihany koa ireo mpanakanto fanta-daza eto Afrika toa an’i Mikidache avy atsy Mayotte, TNT (Tout Notre Talent ) avy any Côte d’Ivoire sy i Jean Jacques B. Ankoatra maha hetsika ara-javakanto ny Waka Waka festival dia mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny ara-tsosialy ihany koa ny hetsika. Ny taona 2023, nanampy tamin’ny fananganana sekoly ambaratonga fototra tao Sambava ny andiany faharoa. Amin’ity taona 2024 ity dia manana vina hanangana toeram-piterahana manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ao Sambava ny mpikarakara, Shelby Production sy ny kaominina Sambava miaraka ny fanohanan’ireo mpiara-miasa amin’izy ireo. “Matanjaka isika rehefa miasa miaraka. Io tanjon’ny festival ary afaka mampandroso ny tananantsika, mampandroso ny firenentsika ny mozika. Mahavita zavatra goavana be isika rehefa miray hina”, hoy i Shelby Florent, mpanorina ny Waka Waka festival, nandritra fampahafantarana ny andiany fahatelo, ny 16 aogositra 2024, teny amin’ny Gare Soarano. Anisany manohana ity hetsika ity ny Orange Madagascar. Efa an-taonany maro ny orinasa no nisehatra tamin’ny fampiroboroboana ny kolontsaina sy fanohanana ny ara-tsosialy. “Eo anivon’ny Orange dia  efa misy andraikitra maro  sahanina amin’ny asa sosialy. Ny fikambanana Orange Solidarité ohatra dia manana ny tetikasa atao hoe Village Orange izay manohana  ireo kaominina amin’ny fananganana fotodrafitrasa ilain’ny mponina”, hoy i Andriatsilavo Zo, Tale misahana ny arak’olona amin’ny Orange.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *