Socio-eco

VOLOBE : Anisan’ny vahaolana amin’ny fiovan’ny toetr’andro


Andro maneran-tany ho an’ny volobe (bambou) ny 18 septambra. Nanamarika izany isika tamin’ny alalan’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovain-jafy (MEDD). Notanterahana teny amin’ny biraon’ny MEDD eny Soanala , Ambatobe ny fankalazana ofisialy. Hetsika fanentanana sy fampahafantarana ireo karazana tombontsoa sy seha-pihariana avy amin’ny volobe no notanterahina teny an-toerana notarihan’ny  Minisitry ny MEDD Max Andonirina FONTAINE. Nisy ny hetsika fampiratiana ireo vokatra azo avy amin’ny volobe. Natao ihany koa ny  fanolorana ny « certificat » ho an’ireo nanaraka ny fampiofanana momba ny fambolena volobe sy ny fikarakarana azy. Nahazo izany ny mpianatry ny CNFTF Angavokely na ivon-toerana fanofanana teknisianin’ny ala ary ireo fikambanana mpisehatra amin’ny volobe. Nandritra ny telo andro ny fampiofanana azy ireo teny amin’ny CNFTF Angavokely. Azo atao fidiram-bola ho an’ny mpamboly sy ny  tantsaha ny volobe « Haingam-pitsiry ny volobe. Ezahana ny hampiroboroboana ity seha-pihariana volobe ity satria isan’ny vahaolana amin’ny fiovan’ny toetr’andro ny volobe. Tsy mijanona amin’ny fanamaintsoana an’ny Madagasikara fotsiny fa ary afaka ampiasaina hanaovana arina fandrehitra, anaovana trano fonenana sy anamboarana fitaovana ampiasaina andavanadro sy anaovana asa-tanana », hoy ny Minisitra. Hamporisihana noho izany ny olon-drehetra hisehatra amin’ny volobe.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *