Socio-eco

VIH/SIDA ETO MADAGASIKARA: Eo amin’ny 50.000 mitondra ny tsimok’aretina no tsy mbola voatily


Mitombo ny olona mitondra ny VIH eto Madagasikara. Vinavinain’ny Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka sy ny ONUSIDA ho 70.000 ka hatramin’ny 75.000 ny mitondra ny tsimok’aretina. Taorian’ny fivorian’ny Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka sy ny mpiray miombon’antoka ny volana oktobra 2024 dia miisa 6705 no mitondra ny tsomok’aretina VIH ny taona 2018. 9277 ny taona 2019. Nitombo be izany ny taona 2023 sy ny taona 2024. Miisa 17.073 ny taona 2023 ary 19.407 mitodra ity aretina ity ny volana jona 2024. « Mbola misy eo amin’ny 50.000 any rehetra any mitondra ny VIH raha ny vinavina», hoy ny Minisitry ny fahasalamam-bahoaka, Profesora Zely Arivelo RANDRIAMANANTANY raha nankalaza ny andro manerantany iadiana amin’ny SIDA tany Antsiranana ny 01 desambra 2024. Nosafidiana manokana ny faritry ny Diana noho izy faritra mena amin’ny fihanaky ny VIH/SIDA. Namporisika ny olona hanao fitiliana izy. Nilaza ihany koa ny Tale regionalin’ny ONUSIDA aty Afrika atsinana sy Afrika Austral, Anne Gituku-Shongwe, fa mitombo aingana ity tsimok’aretina ity eto Madagasikara raha tsy atao ny fomba rehetra hisakanana ny fimparitahany. Lohahevitra noraisina tamin’ity taona ity ny hoe :  « Andao omena lanja ny zon’olombelona ».

Anisany manakana ny fimparitahan’ny SIDA ny kapoty

Efa resahana ny sakana amin’ny tsy hiparitahan’ny tsimok’aretina VIH. « Aza manao firaisana raha tsy manao kapoty », hoy ny Minisitry ny fahasalamam-bahoaka. Milaza ihany koa ny Forum Génération Egalité (FGE) fa ilaina ny fampiharana ny fanabeazana ara-pananahana feno. Iaraha mahalala anefa fa nisy naoty ny 7 novambra 2023 (2023 -862/MEN/SG) navoakan’ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena amin’ny tsy fahafahana mitondra fitaovana mivoy ny fampiasana fomba fanabeazana aizana eny an-tsekoly ao anatiny ny kapoty. Ny fampiasana kapoty nefa no fomba iray hiadiana amin’ny fianaky ny SIDA ary miaro ny vohoka aloha loatra na tsy niriana ka miteraka ny fahatapahan’ny fianarana na mahatonga ny fampihatoana vohoka tsy azo antoka. Ny vadin’ny filohan’ny repoblika Mialy Rajoelina niteny nandritra ny fandraisany fitenenana ny 22 oktobra 2024 tao amin’ ny fihaonambem-paritra momba ny VIH/SIDA fa ny sekoly dia toerana mety hanampariahana ny fanabeazana ara-pananahana mba ahafahan’ny tanora mahafantatra ny momba ny vatany sy miaro tena. Noho izany tokony fohanana io naotin’ny navoakan’ny MEN io.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *