Socio-eco

UNICEF: Ho dinihana mandritra ny fitsidihan’i Etleva Kadilli eto Madagasikara ny fiantraikan’ny ny fiovan’ny toetrandro amin’ny zon’ny ankizy


Mandalo eto Madagasikara i Etleva Kadilli, Tale rejionalin’ny UNICEF misahana an’i Afrika Atsinanana sy Atsimo. Mamita iraka eto izy, nanomboka 20 aprily ka hatramin’ny 26 aprily 2024. Ao anatin’ny fandaharam-potoanany ny fihaonana amin’ireo manam-pahefana eto an-toerana sy fijerena ireo sahan’asa sy fandaharan’asa tanterahin’ny UNICEF eto Madagasikara ary ny fifanankalozan-kevitra miaraka amin’ny vondron’olona eny ifotony momba ireo fiantraikany tsara tamin’ireo tetikasa sy asa mbola miandry ny sampandraharahan’ny firenena mikambana misahana ny ankizy amin’ny fampiroboroboana ny zon’ny ankizy. Ho any Ambovombe, any Atsimo izy hijery ireo voka-dratsy ateraky ny haintany amin’ireo mponina, singanina manokana ireo ankizy. Tsy azo lavina fa  anisan’ireo firenena mizaka vokatry ny fiovan’ny toetrandro i Madagasikara. Tsikaritra fa mahatonga ny ankizy ho marefo hatrany izany.

Raha  ny faritra Ambovombe no resahana dia tsy ampy ny rano ary tsy afaka miantoka ny sakafo ampy otrikaina sy fivelaran’ny ankizy  ny asa fiveloman’ny mponina. Mbola miantraika any amin’ny fisitrahana tolotra ara-pahasalamana sy fanabeazana ihany koa ny vokatry ny fiovan’ny toetrandro. Manoloana izany, hifampidinika miaraka amin’ireo ray amandreny, mpisehatra amin’ny fahasalamana ary mpampianatra  i Etleva Kadilli mba hijerena vahaolana momba izany. Raha ny eto Antananarivo kosa dia hihaona amin’ny mpikambana eo anivon’ny governemanta, ireo tanora sy ankizy ny tenany satria ao anatin’ny zon’ny ankizy ny fanomezana sehatra ahafahan’ny ankizy mizara ny hetahetany sy fihainoana azy amin’ireo lohahevitra mahakasika azy ireo.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *