Socio-eco

TSY FAHASALAMAN’NY SAINA : Tsy fantatry ny malagasy ny fisiany


Lavitry ny kitay ny afo raha ny fahasalaman’ny saina no resahina. 10 Oktobra ny andro manerantany ho an’ny fahasalaman’ny saina. Hankalaza izany isika eto Madagasikara. Hetsika maro no atao ny 10-11- 12-19 Okotobra 2024 Eny Antanikatsaka Itaosy no atao ny lanonana ofisialy ho fampahafantarana izany fahasalaman’ny saina izany. Maro ny hetsika ara-pahasalamana ho hita eny, toy ny fitiliana diabeta, fijerena ny fahasalaman’ny maso, fampiratiana ireo fikambanana… Ankoatra ny eto Analamanga dia misy fankalazana ihany koa any amin’ny faritry Boeny. Maro ny fambara rehefa tratry ny tsy fahasalaman’ ny saina ny olona iray. Mety miteny irery, tsy maheno kilakisaonan’ny fiara, tsy tohina, mora tezitra, mivazavaza, miady, opa sy teny ratsy anaty tambajotra serasera facebook….Misy fiantraikany amin’ny fahasalamana ny tsy fahasalaman’ny saina sy ny voka-dratsiny. Miatraika any amin’ny torimaso, ny diabeta…  « Raha eto amintsika dia tsy ampy ny fandraisana an-tanana ny tsy fahasalaman’ny saina. Mihezaka kosa anefa ny mpisehatra rehetra sy ny fanjakana. Eo ireo manampahaizana amin’izany, ny  « psichiatre », ny « psycholoque », kanefa kosa tsy misy eto Madagasikara ny « orthophoniste », ny « psychomotrice », hoy i Eugene Randriamampionina, mpikambana ao amin’ny plateforme santé mantale sy psychosocial . Tokony atao laharapahamehana ao anatin’ny politikan’ny fahasalamana ity ny fahasalaman’ny saina. Tsy vitan’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka irery anefa izany satria hafa kely ny fitsaboana azy. Ministera maro no voakasiky ny fitsaboana sy fandraisana an-tanana ny marary saina. Mbola lavitrezaka ny fahazoana sy ny fitsaboana ny tsy fahasalaman’ny saina. Tsy misy ny làlana momba izany. Toeram-pitsaboana vitsy, tsy misy ny « orthophoniste » , ny « psychomotrice ».

Marihina fa nanao ny « rendez-vous de Remapsen » tetsy amin’ny foibeny OJM ny Remapsen Mada ny 08 Oktobra 2024 nanasana ny mpisehatra eo amin’ity fahasalaman’ny saina ity. Stacy Rakotodrazanany, manampahaizana amin’ny fahasalaman’ny saina sy soutien psychosocial, Eugene Randriamampionina, mpikambana ao amin’ny plateforme santé mantale sy psychosocial,  Razafimahefa, filohan’ny Autisme Fédération Madagascar , ary ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara (OJM). Lohahevitra noraisina « santé mentale positive ».

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *