Socio-eco

TOSIKA HO AN’NY TANORA: Nanavao ny fiarahamiasany Orange sy ny JCI Madagascar


Nahitam-bokatsoa ny tohana nomen’ny Orange Madagascar ny fikambanana Jeune Chambre Internationale (JCI) , sampana Madagasikara. Nandritra n 20 taona, nanohana ny fikambanana tamin’ireo asa sosialy nataony ny orinasa. Nanampy ara-bola ny fikambanana ny Orange hanatanterahany ny sahan’asa momba ny fanabeazana sy fahasalamana. Mbola manamafy ny fahavononany ny orinasa amin’ny fanampiana ny fikambanana. Notanterahina ny 24 jona 2024, teny amin’ny Gare Soarano ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa teo amin’ny roa tonta. Niara-nanao sonia tamin’izany i Frédéric Debord, Tale Jeneralin’ny Orange  Madagascar sy Ratsimbazafy Sandra, Filoha nasionalin’ny JCI eto Madagasikara. Nanome voninahitra ny lanonana ny Filoha Lefitry ny JCI, Rabiatou Mamoudou. Miompana kokoa amin’ny  fandraisana andraikitrin’ny orinasa amin’ny lafiny sosialy (RSE) ny fanampiana ataon’ny Orange mba hisy fiantraikany maharitra any amin’ny tanora malagasy. Tsiahivina fa tamin’ny alalan’ny asa sosialy sy fikambanana Orange Solidarité no niatombohan’ny fiarahamiasa ny roa tonta.

Tambazotra iraisam-pirenena mampivondrona tanora mpitarika, 18 ka hatramin’ny 40 taona ny JCI. Ahitana ny fikambanana manerana ny firenena miisa 115. Manampy ny tanora momba ny fahaiza-mitantana (leadership) ny fikambanana mba ahafahan’izy ireo mitondra fiovana miabo, indrindra amin’ny alalan’ny fandraharahana. Ho an’ny eto Madagasikara, miisa 15 ny fikambanana izay miparitaka amin’ny renivohitra 15 ary ahitana mpikambana 350.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *