Actus

TOAKA VOARARA : ENY IVATO SY AMBOHIDRATRIMO


Ao anatin’ny ezaka fametrahana fandriampahalemana mandritra ny fetin’ny faran’ny taona sy ho fitsenana ny taona vaovao dia nisy ny ezaka manokana niraisan’ny kaominina 24 ao amin‘ny distrikan’ Ambohidratrimo, momba ny ady amin‘ny fivarotana toaka sy zavapisotro mahamamo tsy ara-dalana.
Ho an’ny tao amin’ny kaominina Ivato manokana, ny zoma 18 desambra 2015 dia nidina tampoka nisafo ireo mpivarotra tsy mpanara-dalana sy minia mandika lalana ny zandary avy ao amin’ ny kaompania Imerina Central notarihan’ny lehibeny sy ny borigadin’i Talatamaty, Chef de poste Ivato ary ny ivon-ketra ao Ivato. Traingo tamin’izany ireo fivarotan-toaka tsy manana taratasy fahazoan-dalana tao Ambodirano ka noraofina avokoa ny zavapisotro mahamamo tratra tao. Nanaovana fitanana an-tsoratra izany ary nasaina nandoa lamandy sy nakatona ny fivarotana.
Marihana fa efa nisy ny fanentanana sy fampahafantarana ireo mpivarotra tsy ara-dalana mahakasika ny fepetra samihafa mifehy izany fivarotan-toaka izany, nanomboka ny volana oktobra teo. Mifarimbona manao izany ny avy amin’ny distrikan’Ambohidratrimo, ny kaominina 24, sy ny ivon-ketra avy ao Ambohidratrimo sy Ivato. Efa nisy koa ny fampitandremana ireo mpivarotra minia mandika ny lalana momba ny fivarotan-toaka. Toy ny elanelana tsy maintsy hajain’ny trano fivarotan-toaka amin’ny sekoly, ny trano fivavahana, ny toeram-pitsaboana, ny toeram-pivoahana, ny resaka fandriampahalamena sy ny maro hafa.
Nandray ny andraikiny ireo kaominina samihafa ka nijery ifotony ireo mpivaro-toaka tsy ara-dalana sady tsy manana fahazoan-dalana. Nisy ireo nasaina nanakatona ny toeram-pivarotany mandra-pikarakarana ny taratasy ara-dalana sy ny fahazoan-dalana hisokatra. Nisy koa ireo tsy nanaja izany fa vao lasa ny tompon’andraikitra dia nisokatra an-tsokosoko indray ny fivarotana tsy ara-dalana ka nahatonga ny ezaka manokana toy izao.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *