Socio-eco

Tetikasa R.A.V.A.O : Hitondrana fanabeazana amin’ny maha olom-pirenena sy ara-panahy ny vahoaka malagasy


« RAVAO, izay misary ho fanomezana baiko, manery ny mpiray tanindrazana handrodana izay ratsy sy tsy mety amin’ny fiainany mba ahafahany manova». Alavaina amin’ny hoe : Rindra Ananganana Vina amin’ny maha Olombelona na R.A.V.A.O. Hanombohana ny tetikasa ny kaominina Andranomiady, distrika Ankazobe ny 06 septambra 2024. Mpanao gazety mikirakira ny fanadiadihana lalina i Randrianarisoa Riana Raymonde izay tompon’ny tetikasa. Hitondrana fanabeazana amin’ny maha olom-pirenena sy ara-panahy ny vahoaka malagasy ny R.A.V.A.O ka hiainga eny amin’ny fototra izany. « Tanjona ny fanentanana ny Malagasy mba ho mpiantsehatra fototra amin’ny fanarenana sy ny fampandrosoana an’i Madagasikara ary ny hahavitana fitetezana ireo kaominina 1700 misy eto Madagasikara, arakaraka ny fahafaha-manao. Anisan’ny hampiavaka ny tetikasa  ny fanabeazana ara-panahy. Ny ara-panahy izay anisan’ny miantoka ny maha olombelona ka ilana fikolokoloana », hoy hatrany izy », hoy izy.

 « Finiavana sy fahatsapan-tena ary fandraisan’andraikitra  no tsy ampy eto amin’ny firenena. Tsy hiandrasana fidirana any anaty rafitra vao manao zavatra ho an’ny taninjanaka sy ny mpiray tanindrazana. Izay rahateo ny fomba fiasa ho entina manatanteraka ity tetikasa ity. Miala amin’ny mahazatra sy ny fanaganana fikambanana fa na iza na iza, na aiza na aiza dia tokony hijoro ireo afaka mizara sy mitari-dalana. Hisy ny tari-dalana amin’ny fanabeazana, ny fahaiza-miaina ary  ny fanentanana amin’ny fanajana lalàna », hoy Riana Raymonde.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *