Raha hadika avy amin’ny teny anglisy ny lohatenin’ny tetikasa hoe GeneRice dia hoe : Famoronanana sy fanapariahana karazam-bary nohatsaraina niainga tamin’ny fanontana ny andiana zena ao aminy mba hahafahany mitrandraka misimisy kokoa ny singa azota (toetra tsy hita maso ary sarotra faritana). Ny ivon-toeram-pikarohana CIRAD avy any Frantsa sy ny FOFIFA no tompon’antoka amin’ny tetikasa amin’ny alalan’ny endri-piaraha-miasa miompana amin’ny resaka « Systèmes de Production d’Altitude et Durabilité (dP SPAD) » adika hoe rafi-pamokarana amin’ny toerana avo, lovain-jafy. Kontinanta telo samihafa no nanatanterahana ny tetikasa dia Eoropa, Afrika et ary Amerika Atsimo nanomboka tamin’ny taona 2017 ka hatramin’ny 2021. Na dia nokasaina aharitra 3 taona ihany aza ny tetikasa dia niitatra hatramin’ny taona 2021 ny fanatontosana azy noho ny hamehana ara-pahasalamana nateraky ny aretina covid-19. Vokatr’io ihany koa no voatery nanatanterahana manontolo ny atrikasa famaranana ny tetikasa tamin’ny alalan’ny fivoriana tsy natrehana mivantana ny alarobia 21 aprily 2021. agritrop.cirad.fr/599460/
Isan’ny tena nisongadina tamin’ny zava-bitan’ny tetikasa ny nanatsara ny fahazoan’ny karazam-bary an-tanety fampiasa eto afovoan-tany, tsipolitra , izay nahazo toetra ahafahana mitrandraka misimisy kokoa ny singa azota ao anatin’ny tsiron’ny tany (toetra izay afohezina hoe : NUE). Tanteraka izany nandritra ny asa fikarohana teo anivon’ny laboratoara tany Frantsa ka nampiasana teknolojia vaovao antsoina hoe CRISPR-Cas9[1] izay hahafahana manonta ny andiana zena tiana hasiam-panovana eo amin’ny zava-maniry toy ny vary.
Raha tsiahivina, ny andiana zena dia ampahany amin’ny ADN (acide desoxyribo-nucléique), izay singa anaty sela, miampita amin’ny taranaka mifandimby ary mamaritra ny toetoetran’ny zavamanan’aina, na ny hita maso( endrika ivelany) na ny tsy hita maso ( zenotipa ). Ny fanontana ny andiana zena araka izany dia entina hambolena toetra tsy nananan’ilay zava-maniry teo aloha amin’ny alalan’ilay mikroba mitondra ny anarana CRISPR/Cas9. Io fitaovana io dia afaka manova ny singa mandrafitra ilay zena tiana kendrena ka zary hananany toetra vaovao.
Tao aorian’ny fampiharana izany dia nanjary nahazo toetra afaka manatsara ny fahazoana ny singa azota ny vary tsipolitra. Ny andrana teny an-tsaha izay natao tany Kolombia no nahitana fa misy amin’ireo karazam-bary niforona no namokatra 15% amboniny amin’ny voam-bary raha hoarina tamin’ny karazana tsipolitra tsy nasiam-panovana. Tsikaritra izany elanelana izany na be na kely ny tahan’ny azota tao amin’ny toerana nanaovana ny andrana.
Ny fahazoana ireo voka-pikarohana ireo dia mampirisika amin’ny fanapariahana ny tsipolitra nohatsaraina eo anivon’ny tantsaha mpamokatra andaniny, ary ny hizaha toetra hafa indray koa entina hanatsarana ny vary volena ankilany. Azo heverina amin’izany moa ny tolo-kevitra avy amin’ny tantsaha, izay sady mpamokatra no mpihinana, ny amin’ny toetra tsara omena ny vary ka mipàka hatrany amin’ny fanjariana ara-tsakafo sy ny asa fiveloman’izy ireo. Ny indro kely anefa, ny lalàna velona eto madagasikara dia tsy ahafahana mampiasa io vokatry ny fikarohana io ary ny fiaraha-monina amin’ny ankapobeny dia tsy miombon-kevitra ny amin’ny fanekena fa ny vokatra ara-tsakafo, indrindra ny vary, dia azo avy amin’ny fikirakirana ny zena ao anatiny.
Ankoatra ny fandalinana ny antontan-kevitra momba ny fahafahana manatanteraka araka ny lalàna ny teknika fanontana andiana zena amin’ny vary dia nanatanteraka andrana hanaovana tombana marolafy koa ny tetikasa ny amin’ny faneken’ny fiaraha-monina na tsia ny fampiharana izany eto Madagasikara ho fanatsaran ny zava-maniry volena.
Ny fanadihadiana natao tamin’ny rafitra misahana ny fiahiana ny zava-mananaina sy ny zava-maniry ary dinika nifanaovana tamin’ny mpahay lalàna no nahafahana namaritra fa misy foto-kevitra roa mifandona manoloana ny ady hevitra hanekena na tsia eto Madagasikara ny zavamaniry nanontana andiana zena tao aminy (PGe no hanafohezana ny teny manambara izany amin’ny fiteny frantsay). Andaniny, ireo izay manohana ny foto-kevitry ny fitandremana dia mitandro indrindra ny fiarovana ny tontolo iainana, indrindra ny fahamaroan’ny zava-maniry sy ny zava-mananaina. Ny fitontonganan’ny samihafana eo amin’ny voahary mantsy no ahiana manoloana ny mety ho firongatry ny zava-maniry nasiam-panovana na nanontana andiana zena tao aminy ka hihatra amin’ny toe-pahasalamana mihitsy ny fiantraikany amin’ny olona. Araka izany, heverina fa antoky ny fiarovana ny voahary miavaka misy eto Madagasikara ny nampiharana ny didy hitsivolana laharana 2018-397 nanomboka ny taona 2018 izay mandrara ny fanafarana, ny fampiasana ny zavamananaina nasiam-panovana ny zena ao aminy (OGM). Ankilany, misy indray ireo manohana ny fotokevitry ny fihavaozana ka mihevitra fa azo heverina ny fampiasana ny PGe noho izy tsy mitovy amin’ny OGM. Izay fihevitra izay kosa dia tsipahin’ireo miandany amin’ny foto-kevitry ny fitandremana. Ho an’ny foto-kevitra faharoa mantsy dia azo atao ny manao asa tombana ny dingana rehetra hanafarana na hikirakirana ny zava-maniry nanaovana fanontana mba hahafahana mifehy ny voka-dratsy mety ho aterany. Omeny lanja kokoa araka izany ny tombon-tsoa azo avy amin’ny fihavaozana hoarina amin’ny mety ho voka-dratsiny izay ho faritana miandalana, miankina amin’ny fampiasana azy.
Ireo sehatra rehetra napetraky ny tetikasa ka nahafahana nitondra ny ady hevitra teo amin’ny vondron’olona samihafa nahitana tompon’andraiki-panjakana, mpikaroka/an-jerimanontolo, ny fiaraha-monim-pirenena ary vondrona tantsaha dia tsy nahafahana nampirindra an-dalana ny fomba fijery. Ny hevitra niombonana dia nisy ihany fa misy koa ireo tsy fitovian-kevitra nitoetra. Niara-niaiky ohatra ny rehetra fa ilaina ny hitondrana fanazavana ara-tsiansa misimisy kokoa, na ny eo amin’ny tombon-tsoa (fitombon’ny vokatra, na voafetra aza ny hanam-pamokarana ampiasaina ; fihenan’ny sandan’ny famokarana ny karazam-bary natonta) na eo amin’ny loza mety haterany ho an’ny fiharian-karena an’ireo tantsaha mpamokatra (fiankinan-doha amin’ny ireo orinasa mamorona ny karazam-bary vaovao amin’ny fanontana ny andiana zena), ho an’ny tontolo iainana (fihanaky ny toetra vaovao amin’ny voahary hafa), ho an’ny ara-tsakafo sy ny ara-pahasalamana (trangan’aretina vaovao, fahapoizinana tsy ampoizina) http://publications.cirad.fr/une_notice.php?dk=591580. Ny fivoaran’ny fahalalana no heverina manavaka sy manasokajy ny PGe hoarina amin’ny OGM. Ilaina ny fikatsahana handravona ny tsy fitovian-kevitra mba handraisana fepetra ny amin’ny fanekena na tsia ny fampiasana ny PGe izay mbola tsy mampifanaraka hatreto. Heverina manampy amin’izany ilay tolo-dalàna momba ny fiahiana ny zava-mananaina sy ny zava-maniry izay novolavolaina tamin’ny taona 2004. Maro ny foto-kevitra vohizin’io tolo-dalàna io fa singanina manokana ilay mahakasika ny fisorohana ka nahatonga azy handroso hevitra ny amin’ny fananganana rafitra ofisialy sy ara-tsiansa mba hanamafisan’ny Firenena orina ny fahafahana miatrika ny fiavian’ny zava-maniry azo avy amin’ny teknika vaovao mikitika ny zena. Anisan’ireo rafitra naroso tamin’izany ny fananganana birao fanangonan-kevitr’ireo mpiara-miombon’antoka (miankina amin’ny fanjakana na tsia, fiaraha-monim-pirenena ary vondrona tantsaha) sy fametrahana laboratoara afaka manara-maso sy manao tombana ny loza mety hitranga amin’ny lafiny ara-tontolo iainana, ara-pahasalamana na ara-biolôjika. Mbola miantona anefa ny fandaniana io tolo-dalàna io hatramin’izao ka mandroso soso-kevitra ny tetikasa GeneRice hifantohana indray ny amin’izy io amin’ny alalan’ny teny fanetsehana politikam-panjakana (note de perspective politique https://agritrop.cirad.fr/598571/).
Ankoatra ireo lahatsoratra samihafa mirakitra ny vokatry ny fikarohana anaty gazety boky ara-tsiansa ((https://thericejournal.springeropen.com/articles/10.1186/s12284-020-0366-y, https://doi.org/10.1016/j.techfore.2021.120720) ny tetikasa dia nahafahana nompitombo ny fahaiza-manaon’ireo mpiara-miombon’antoka eto an-toerana toy ny : mpianatra amin’ny dingana Master; mpiofana ho mpikaroka, anisan’izany ilay nandrombaka ny laharana voalohany tamin’ny fifaninana « Ma thèse en 180 secondes » nandritra ny andiany 2021 ka nanehoany tao anatin’ny 3 minitra ny votoatin’ny fikarohana ataony; ary koa mpikaroka erotrerony manohy ny fikarohany vita tezy. Ny asa natao koa dia nampivoitra ny andrandrain’ny tantsaha raha fikarohana momba ny fanatsarana ny masomboly no resaka : ny tsanganan’ny vary eny an-tsaha ho azy dia azo hitarafana ny habetsahan’ny vokatra ho avy ; torak’izany koa, ny hahavon’ny mololo dia manambara tanjaka, ny halavan’ny salohim-bary kosa no mamaritra ny isan’ny voany raha toa ka ny haben’ny voany dia mifampiankina amin’ny lanjany ; ny voka-bary mivoaka avy amin’ny masinina fitotoam-bary sy ny tsiron’ny vary rehefa masaka dia isan’ny misarika ny fahalianan’ny tantsaha ihany koa ny fiheveran’ny mpikaroka mpanatsara ny karazam-bary azy.
Farany, ny tetikasa dia nanolo-tanana tamin’ny fahafahan’ny laboratoara momba ny biolojia ara-molekiola eo anivon’ny sampam-pianarana Biolojia an’ny zava-maniry, Oniversite an’Antananarivo , manaraka ny fenitra hahafahany mitily zava-maniry nasiam-panovana ny zena ao aminy. Ny fisian’io laboratoara io dia heverina fa afaka hanampy hampivoatra ny fijery mifanipaka momba ny fampiasana na tsia ny PGe eto Madagasikara.
Nangonin’I Ra-Nirina