Socio-eco

TETIKASA « ART ET BIODIVERSITE » : Fanehoana amin’ny fomba hafa ny fiarovana ny tontolo iainana


Andiany fahatelo ity « art et biodiversité » tamin’ity taona 2024 ity. Nampahafantarina ny 02 Oktobra 2023 teny amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo ireo tetikasa telo momba ny « art et biodiversité » nokarakarain’ny FAPBM (Fondation pour les Aires Protégées et la Biodiversité de Madagascar) sy ny Teinturerie Association d’artiste. Miisa telo ireo nahazo tohana ara-bola tamin’ity taona ity. « Madagascar Sauvage : histoires secrètes » an’i Andry Ravololonjatovo sy ireo ankizy Ikigasy, tetikasan’i Miranto Rafanomezana , « Tontolo miaina » ary « Les Petits géants » an’i Heritiana Razafindraleva . Tetikasan’i Andry Ravololonjatovo ,  « Madagascar Sauvage : histoires secrètes ». Horonan-tsary fohy, tandavan-tsarimihestika (série) notontosaina tany amin’ny ala fady ao amin’ny alan’Anjozorobe angavo sy ireo mponina monina ao Antsahabe Est, Ambodipaiso sy Andreba. Niarahana tamin’ireo ankizy ao amin’ny « non-école Ikigasy ». « Tombony ho an’ireo ankizy ireo ny nifanerasera tamin’ny olombelona hafa, tso-po be, manana harentsaina hafa. Ny zavamananaina hananan’ireo mponina fahalalana na dia tsy mahita internet. Sady nianatra ireo ankizy no mahita fomba fianana hafa. Nijanona tao anaty ala izy ireo nandritry ny enina andro », hoy i Andry Ravololonjatovo. Mbola betsaka ny azo tantaraina ka faniriana ny hanohizana an’ity tetikasa ity, hoy izy. Nomarihany fa ny Ikigasy dia rafi-pibeazana tsy voatery manaraka ny rafi-pibeazana hafa. Mahomby ny fiarovana ny tontolo iainana amin’ny fomba amam-panaon’ny malagasy. Eo ihany koa ny tetikasa « Tontolo miaina » an’i ndriamiranto Rafanomezana. Nampiasa ny teknolojia kosa ity tetikasa ity nahafahana nihaino ireo zavamaniry toy ny voninkazo. Nisy ny natao tany ambanivohitra sy taty andrenivohitra. Tetikasa fahatelo an’i  Heritiana Razafindraleva nampitondrainy ny lohateny hoe « Les Petits géants ». Natao tany amin’ny Parc National Andasibe, mampiseho ny fomba fambolena manaraka ny fiovan’ny toetry ny andro ( agroecologie) ary mampiseho ireo bibikely. Haseo amin’ny alalan’ny sary izany.

Marihina fa ampirantiana eny  La Teinturerie Ampasanimalo ireo vokatry ny tetikasa telo ireo manomboka ny 03 ka hatramin’ny 25 oktobra 2024. Ho entina ampiratiana any Antsiranana ny volana Novambra hoavy izao hiarana miasa amin’ny fikambanana Loko.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *