Evenement

TARIKA ‘ZAY: Hihoatra noho ny eritreretina tahaka ny teny filamatry ny Airtel ny seho amin’ny 6 jolay 2024


Ho fotoana mamy, rakotra mozika sy fitiavana. Manome fotoana ny mpankafy azy ny tarika ‘Zay  ny 6 jolay 2024, amin’ny 6 ora sy 28 minitra, ao parking Stade Barea Mahamasina.  Fampisehoana ho fanamarihana ny faha-28 taonany ny tarika izy ity. Hiaraka amin’i Malala sy ireo mpankafy azy an-jatony ny Airtel Madagascar amin’io fotoana io mba ho seho tena miavaka, tsy hay adinoana sy hampiray ny taranaka samy hafa vanim-potoana. Amin’ny maha mpanohana ofisialy dia hiantoka ny lafiny serasera amin’ny alalan’ny teknolojia vaovao  amin’ny tontolon’ny fifandraisan-davitra (TIC) ny orinasa mba hitondra hafanana amin’ity andro mangatsiaka ity ny hetsika. “Tarika manana ny lazany ‘Zay. Nahavita nametraka tantara tsara teo amin’ny sehatry ny fampisehoana malagasy ny tarika noho ny famoronana, talenta sy fahaiza-manao hananan’ny mpikambana ary mbola mitohy manome fahafaham-po ho an’ny mpankafy izy ireo isaky ny miaka-tsehatra. Izany indrindra no mampalaza ny hirany nandritra izay  28 taona izay”, hoy i Julie RAHARILALAO, Tale ara-barotry ny Airtel Madagascar, nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, ny 28 jona 2024, teny Alarobia Ivandry.

 Nambarany fa mandray anjara amin’ny fampiroboroboana ny kolontsaina ny orinasa, ao anatin’izany ny fanohanana ny mpanankato. “Ny fanohanan’ny Airtel ity fampisehoana ity dia ho fankasitrahana sy ho fankaherezana ny tarika ‘Zay, nahavita nihoatra ny tokony eritreretina, tahaka ny teny filamatry ny orinasa amin’izao fotoana izao. Tsy izay ihany fa ho fanomezana fialamboly mendrika ho an’ny mpankafy mozika sy  fety amin’izao fiatombohany ny vakansy izao”, hoy izy. Ny Ivenco no mikarakara ny hetsika ary efa azo jifaina ao amin’ny Ticket place ny tapakila, 20.000 Ariary ny “Tsiky kely”, 30.000 Ariary ny “Tena hafa” ary  80.000 Ariary ny “Samy te” ary azo vidiana amin’ny alalan’ny Airtel Money ihany koa.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *