Socio-eco

TANDAVANALA ANKENIHENY ZAHAMENA SY AMBOSITRA VONDROZO : Nanampy betsaka tamin’ny fiarovana ny atiala ireo tantsaha


Sady nihatsara ny velonten’ny tantsaha no voaaro ny atiala. Mandray anjara amin’ny FIER MADA, ireo tantsaha nahazo tohana avy amin’ny tetikasa « Tontolo Voajanahary Lovainjafy amin’ny Ilan’Antsinanan’i Madagasikara ». Mitantana ny tetikasa ny Conservation International ary mamatsy vola izany ny Green Climate Fund (GCF). Miasa ao amin’ny Tandavanala Ankeniheny Zahamena (CAZ) sy Tandavanala Ambositra Vondrozo (COFAV) ny tetikasa ary manampy ireo tantsaha mivelona manodidina an’ireo faritra arovana roa ireo ho afaka miatrika ny fiovan’ny toetrandro sy ho fanatsarana ny velontenan’izy ireo. Nitondra ireo vokatra avy any aminy ireo tantsaha, toy ny kafe, katsaka, tsaramaso, voanjo, vary, sakamalaho, asa tanana vita amin’ny rary (harona, satroka…), zanakazo…ka mampiranty sy mivarotra izany mandritra ny tsenaben’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny vokatra azo avy aminy, andiany faha-25, izay nanomboka ny 7 ka hatramin’ny 11 aogositra 2024, eny amin’ny kianjan’i Makis Andohatapenaka. Tokantrano miisa 23.800 no misitraka ny tetikasa fa solontenan’izy ireo no mandray anjara amin’ny FIER MADA, toy ny solontenan’ny Vondron’Olona Ifotony mivondrona ao amin’ny kaoperativa VTMM avy ao Ambalavao,  ny VOI avy any Mananjary Kianjavato. “Miankina amin’ny atiala ny velontenan’ny tantsaha: raha ohatra ratsy ny rano avy anaty ala dia maina ny tany. Rehefa maina ny tany dia kely ny vokatra.  Tohanana mihitsy ireo olona ireo  mba tsy hanimba ala fa mianatra momba ny famokarana, toy ny ala vadimboly. Hita fa nahomby  izay sy nihatsara ny nofontany iasan’izy ireo dia nohitarina tamin’ny fanaovana vala tahaka, fampitàna traikefa amin’ny zareo samy zareo izany. Nentina eto manokana izy ireo amin’ity FIER MADA mba hampiseho ny traikefa hananany sy hianatra amin’ireo tantsaha manao fampirantiana  aty”, hoy i Dr Zo Lalaina, mpanolontsainan’ny tetikasa « Tontolo Voanjanahary Lovainjafy amin’ny Ilan’Antsinanan’i Madagasikara », nandritra ny fanokafana ny hetsika, ny 7 aogositra 2024. Nanomboka ny taona 2018 ny tetikasa ary hifarana ny taona 2025.

Nihena ny etona mangeja hafanana (GES)

Eo andalan’ny famaranana ny  sy fanakatonana ny tetikasa « Tontolo Voanjanahary Lovainjafy amin’ny Ilan’Antsinanan’i Madagasikara » amin’izao fotoana izao  ireo mpiara-miombon’antoka. Raha tsiahivina dia nanome fiofanana ny tantsaha momba ny famokarana afaka miatrika ny fiovan’ny toetrandro, nizara masomboly ho azy ireo ny tetikasa tao anatin’ny enin-taona. “Somary sahirana ireo tantsaha talohan’ny nahatongavan’ny tetikasa satria na ny enti-manana, ho entina mamboly aza tsy misy. Rehefa nahazo tantsoroka avy amin’ny tetikasa anefa izy ireo dia afaka mizara roa na telo ny vokatr’izy ireo. Misy ampahan’ny vokatra namidy, ny ampahany natao sakafo, ny ampahany natao masomboly.  Lasa manana velontena isan-karazany  izy ireo satria raha voly iray fotsiny tamin’ny voalohany dia izao sady afaka mamboly tsaramaso, voanjo, vary, katsaka, kafe  ny tantsaha iray ary afaka mampiasa ny vola azony tamin’ny tetikasa mba hanatsarana ny velontena”, hoy i Dr Zo Lalaina nanazava ny tombontsoa azon’ireo tantsaha tamin’ny tetikasa. Tsy vitan’izay fa nanampy betsaka ny tetikasa tamin’ny fiarovana ny atiala sy nampihena ny tsindry mihatra amin’ny atiala ireo tantsaha mpahazo tombontsoa izay mivondrona ao anatin’ny Vondron’Olona Ifotony (VOI). “Raha iray tapitrisa taonina isan-taona ny fampihenana etona mangeja hafanana tratrarina  ho an’ireo faritra arovana CAZ sy COFAV dia izao efa mahatratra sivy tapitrisa  taonina ny fitambaran’ny etona mangeja nihena nandritra ny tetikasa. Hita ny fihenan’ny etona mangeja”, araka ny fanazavan’ny mpanolontsainan’ny tetikasa. Nanamafy izy fa manohana ny VOI amin’ny fisafoana ny ala toy ny fanomezana  solon-tsakafo, fitaovana ilaina amin’izany ny tetikasa. Afaka mampiasa ny ala ihany koa ireo VOI fa tantanina amin’ny fomba maharitra ary misy tambiny ataon’izy ireo amin’ny tetikasa, toy ny famokarana zanakazo (hazo mampidi-bola sy hazo ala).

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *