Socio-eco

TAHAM-PAMOKARANA VARY: Ny tarehimarika niavaka


Raha niompana tamin’ny fambolena tantanam-pianakaviana ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra nandritra izay nahazoana ny fahaleovantena izay, niroso tamin’ny fampiroboroboana sehatra telo hafa ny ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana (MINAE). Anisan’izany ny fanomezana lanja ireo mpiantsehatra rehetra amin’ny fambolena, ny “agri-business” ary ny fanodinana ny vokatry ny fambolena sy ny fiompiana (agro-industrie). 457 andro ny fotoana niasan’ny ministry ny fambolena Harison Randriarimanana. Nambarany fa nahafa-po ny vokatra tamin’iny taona iny”, hoy ny ministra nandritra ny lanonam-piarahabana nahatratry ny taona ho an’ny mpiasan’ny MINAE ny 11 janoary 2019 lasa teo.

Tarehimarika voalohany teto amin’ny firenena Malagasy ny taham-pamokarana vary tamin’ny taona 2018 satria tafakatra 4.000.000 taonina ny voka-bary. Velaran-tany mirefy 46. 266 hektara nampiasaina tamin’izany ary lalan-drano mirefy 1915 kilometatra namboarina sy nohavaozina raha ny tomban’ezaky ny MINAE. Ankoatra izany, nomena fitaovam -pamokarana miisa 20.276 ireo tantsaha. Mba tsy hampiroaroa saina azy ireo, kara-tany 132.095 no nozaraina tamin’iny taona 2018 iny. Tsy vitan’izany fa vola mitentina 5.390 tapitrisa ariary ny famatsiam-bola nomena ny tantsaha tamin’ny alalan’ny Fonds de Développement Agricole (FDA). Ho fanampian’izay, biby fiompy 7 657 000 no vita vaksiny. Ireo no vita dia noho ny fiaraha-mientan’ny mpiasan’ny ministera sy ireo mpiara-miombona antoka fa indrindra ireo mpiantsehatra momba ny fambolena sy ny fiompiana. Nankasitraka ny ekipan’ny MINAE ny ministra Harison Randriarimanana tamin’ny ezaka vitan’izy ireo. Nanamafy anefa izy fa mbola betsaka ny asa miandry.

Lynda A.


One comment on “TAHAM-PAMOKARANA VARY: Ny tarehimarika niavaka

  1. Pingback: TAHAM-PAMOKARANA VARY: Ny tarehimarika niavaka - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *