Tag Archives vehivavy tantsaha


VEHIVAVY TANTSAHA: Mitaky amin’ny fitondram-panjakana hanamora ny fahazoana tany, hamatsy fitaovam-pamokarana sy hampitombo ny fotodrafitrasa mamaly ny filàn’ny mpamokatra


Ankalazaina isaky ny 15 oktobra ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy tantsaha (JIFR) . Nanao fanambarana ireo vehivavy tantsaha sy fikambanana samihafa avy amin’ny faritra valo eto Madagasikara (Analamanga, Itasy, Matsiatra Ambony, Vatovavy, Atsimo Atsinanana, Atsimo Andrefana, Menabe, Diana), nandritra ny fankalazana izany teny amin’ny kaominina Talatavolonondry. Haitaky ataon’ireo vevihavy tantsaha amin’ny fitondram-panjakana ny hametrahana politikam-pirenena mazava, mampandray anjara ny rehetra, iombonana ary mangarahara, momba ny tontolo ambanivohitra, amin’ny lafiny fampandrosoana ny eny amin’ny tontolo ambanivohitra, miompana bebe kokoa amin’ny vehivavy tantsaha. Mitaky ny fametrahana sehatra ifampiresahana sy iifanankalozan-kevitra eo amin’ny sehatra nasionaly sy/na isam-paritra, hampivondronana ireo mpisehatra rehetra manodidina ny vehivavy tantsaha malagasy ihany koa ireo vehivavy tantsaha. Ao anatin’ny fitakiana ataon’izy ireo ihany koa ny fanamorana ny fahazoan’izy ireo tany sy ny fiarovana ny zo fananantan’izy ireo, ny famatsiana fitaovam-pamokarana mifanaraka amin’ny filàn’ny ny tontolo ambanivohitra sy mifanaraka amin’ny toetanin’ny tsirairay, ny fametrahana politikam-piantohana sy fiahiana ara-tsosialy manokana ho azy ireo. Miantso ny fitondram-panjakana izy ireo mba hametraka sy hampitombo ny fotodrafitrasa maharitra, mamaly ny tena filàn’ny mpamokatra, indrindra ny vehivavy tantsaha, anisan’izany ny tohandrano sy tobin-drano ary hampahafantatra ny fomba famokarana mifanaraka sy mety eny amin’ny faritra tsirairay manoloana ny fiovan’ny toetrandro. Manaitra ny fitondram-panjakana eny ifotony ny vehivavy tantsaha mba hampiroborobo sy hanapariaka ary hanangana toeram-pivarotana manokana, toy ny tsena maitso, ho an’ny vokatra fambolena azo avy amin’ny fomba maharitra sady miaro ny tontolo iainana.

Tolona ho an’ny teknikam-pambolena maharitra

Anisany tolona ataon’ny fikambanan’ny vehivavy tantsaha eto Madagasikara (FARM) ny fametrahana politikam-pamokarana biolojika, natoraly. « Efa mampihatra ny famokarana agroécologie sy mivoy ary manentana ny olona tsy ampiasana ny zezika simika ny fikambanana. Efa mirona kokoa ny vehivavy tantsaha hitaky amin’ny fitondram-panjakana fa tokony ho jerena manokana izay politikam-pamokarana izay satria ry zareo tsy mbola mametraka an’izay famokarana biolojika fa mbola manome vahana ny famokarana simika. Aorina eto amintsika ny orinasa mamokatra zezika simika, etsy ankilany ny famokarana ara-boanjanahary. Anisany tolona iandraketanay ary takian’ny vehivavy tantsaha izay », hoy i Ravoniarisoa Hantanirina Lilia, Filoha nasionalin’ny FARM. « Vehivavy mpamokatra, fanoitra ho an’ny fampandrosoana » ny lohahevitra nentina nankalazana ny JIFR 2024  teto Analamanga. Ny fitaleavam-paritry ny fambolena sy fiompiana (DRAE) Analamanga sy ireo mpiara-miombon’antoka mpisehatra amin’ny famokarana eny amin’ny tontolo ambanivohitra no nikarakara izany teny Talatavolonondry. Entina ampahafantarana ny anjara asan’ny vehivavy amin’ny fampandrosoana ara-toekarena ny hetsika. Trano heva am-polony no nampiranty ireo tetikasa manampy ny vehivavy tantsaha, nampahafantatra ny teknikam-pambolena maharitra na  » agroécologie ».

 

Nisy ihany koa ny fizarana fitaovana sy tohan ho an’ireo vevihavy tantsaha, toy ny fizarana fitaovana hanamaivanana ny asan’ny vehivavy tantsaha (borosikileta na borety hitaomana rano hanondrahana voly na hitaomana vary na zezika), fizarana zanakisoa sy sakafom-biby. Nandray anjara tamin’ny hetsika ny FARM ka varotra fampirantiana ireo vokatra vokarin’ny vehivavy mpikambana avy amin’ireo faritra 12 iasany eto Madagasikara no natao tamin’izany. Nozaraina tamin’io fotoana io ihany koa ny « presse à charbon » ho an’ny fikambanana FARM isaky faritra. Fitaovana hamokarana saribao ekolojika na saribao vita avy amin’ny fako izy ho fanampiana fidiram-bola ny mpikambana sy fandraisan’ anjaran’ny fikambanana amin’ny ady atao amin’ny fiovan’ny toetrandro.

 

Lynda A.