Sport

STARTIMES : Mampita mivantana ireo lalao mandritra ny La Liga 2024-2025


Efa manomboka ny lalao baolina kitra iadiana ny tompondakan’i Espagne, taom-pilalaovana 2024-2025. Ny  alakamisy 15 aogositra 2024 ny andro voalohany tamin’ny La Liga ary ny 25 mey 2025 vao hifarana ny andiany faha-94. Nanao fanambarana ny televiziona nomerika  Startimes, ny 16 aogositra 2024, fa mampita mivantana ny  La Liga andiany faha-94. Handeha mivantana  ao avokoa ireo lalao rehetra (lalao 380) mandritra ny taom-pilalaovana.  “Miara-miasa amin’ny mpitantara baolina kitra malaza eto Madagasikara izahay mba hampiavaka ity taom-pilalaovana ity:  Daniel Andriamaro sy  Edouard Ratovoson. Hanome fahafaham-po ny mpankafy baolina kitra  mandritra ny taom-pilalaovana izy ireo noho ny  fahaiza-manao  hananan’izy ireo amin’ny fitantarana baolina sy  hampisy ambiansy ny mandritra  ny lalao”, hoy i Randrianarivony  Nantenaina, tomponandraikitry ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny daholobe. Ao amin’ny “chaîne” ST Premium et ST Sports Life no ahitana  ny lalao rehetra.

Misy lalao andrasan’ny maro ihany koa hotantaraina amin’ny teny malagasy. “Hotantaraina mivantana amin’ny teny malagasy ireo lalao iarahana amin’ny ekipa fantan-daza manerana an’izao tontolo izao”, araka ny fanazavan’i Nomenjanahary Sissie, Tomponandraikitra ara-barotra sy “contenu”. Ao amin’ny “chaîne” GasyStar no anarahina  fitantarana amin’ny teny malagasy. Nambarany fa manomboka amin’ny bouquet Basic/Smart, 28.000 Ariary, dia afaka manaraka ny  La Liga.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *