Naverina eto Madagasikara ireo sokatra sy varika nisy nanondrana antsokosoko tany Thailande. Varika miisa 47 sy sokatra 914 no ho averina eto Madagasikara. Andiany voalohany no tonga ny 1 desambra 2024. Varika 16 no tonga tamin’ity sidin’ny Airlink ity. Vao tonga izao izy ireo dia nandalo ny sampan’ny mpitsabo biby. Misy puce tsirairay avy ireo biby mba afahana manaramaso azy ireo amin’ny fahasalamany. Hatokana mandritry ny 40 andro izy ireo ary alefa any antsimo toeram-ponenany rehefa hita fa salama sy tsy mitondra aretina izy ireo, hoy i Max Andonirina Fontaine, Minisitry ny tontolo iainanana sy ny Fandrosoana lovainjafy (MEDD). Nanaiky ny firenena Thailande fa am-podiana ireto biby nisy nanondrana antsokosoko ireto. Ho tonga ny 3 desambra 2024 ny andiany faharoa ary ny 12 desambra 2024 ny andiany fahatelo. Olona enina no efa any am-ponja any Thailande ary sivy no efa migadra eto Madagasikara, hoy ny Minisitra. Mbola mitohy kosa ny fanadihadiana. « Olona telo no mbola tadiavina ankehitriny izay ao anatin’ny lisitra menan’ny interpol. Heloka be vava iraisam-pirenena ny hisokajina ity fanondranana antsokosoko ny harena voajanahary malagasy ity. Tafiditra amin’itony asa ratsy itony ny resaka fanadiovam-bola, ny kolikoly », hoy hatrany izy. Tsy polisy tsotra ny nanao fanadihadiana any Thailande fa ny Département d’Investigation Spéciale. Tsy fitsarana tsotra ihany koa ny mandray ity raharaha ity eto Madagasikara fa ny fitsarana miady amin’ny kolikoly. Rehefa tratra any ivelany ny harena voajanahary dia tsy maintsy averina ary miezaka isika miady sy mamongotra an’ireo tamban-jotra ireo.
Marihina fa sokatra 1147 sy varika 48 no tratra tany Thailande ny 1 ere mai 2024. Nisy tamin’ireo biby no maty noho ny tsy fahazakan’izy ireo ny zavamisy sy toerana any Thailande. Fiaraha-miasa amin’ny firenena roa tonta ary nampian’ireo fikambanana iraisam-pirenene no nahitana izao vokatra izao, toy ny « Organisation des Nations Unies contre la Drogue et le Crime, l’US Fish and Wildlife Service, l’INTERPOL, le Widllife Justice Commission ».
Ra-Nirina