Catégorie Socio-eco



Golden center : Nampiasa taratasy hosoka, hoy ny CUA


Tonga nihaona tamin’ny Lefitra Voalohan’ny Ben’ny Tanànan’Antananarivo androany ny tompon’andraikitra iray avy ao amin’ny Golden Center, izay tranombarotra nakatona tetsy Behoririka.

Anisan’ny notakian’ny fiadidian’ ny tanànan’Antananarivo-Renivohitra ny tokony hanaovana fiantohana na « Assurance » mifandraika amin’ny foto-drafitrasa sy ny momba ny fahamaizana. Tsy izany anefa ny taratasin’antoka nomeny fa fiantohana momba ny afo sy ny halatra (Assurance contre incendie et vol). Tsapan’ny Kaominina Antananarivo-Renivohitra anefa, ary mba hialàna amin’ny fanomezan-tsiny ireo tompon’andraikitra, fa sady hosoka ny taratasy fanamariham-piantohana (Attestation d’Assurance) no tsy mamaly izay nangatahina taminy ny tompon’ny  Golden Center.

Manazava ny Lefitra Voalohan’ny Ben’ny Tanànan’Antananarivo, Jean Gabriel HARISON :


Tranombarotra eo Behoririka: « Akatona rehefa tsy manana « permis de construire »


Niroso tamin’ny fanakatonana na ny « scellage »ny tranom-barotra iray lehibe teny Soarano na ny « globe » ny Fiadidiana ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra androany faha 14 Marsa 2016 tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany maraina, tamin’ny alalan’ny Arrêté Municipale N°164-CUA/CAB.16 portant fermeture de l’établissement GLOBE pour non-conformité aux plans autorisés sise à Soarano Antananarivo appartenant à Sieur CAI GUO WEI.

Continuer la lecture


FOFIKRI-ILAFY FFPM : Saribao vita amy fako


Ny Akany Avoko FFPM Ambohidratrimo, toerana fitaizana ireo zatovovavy apetraky ny Fitsarana eo ambany fiahian’ny FFPM (Fiombonan’ny Fiangonana Protestanta eto Madagasikara), dia mamokatra an’io karazana arina (saribao) vita amy fako sy ravinkazo io. Hisy fampiofanana mikasika izany eny amy Foibe Fitaizana Kristiana (FOFIKRI) Ilafy. Tafa nifanaovan’ny Délire Madagascar tamy Rtoa Ranivoharimanitra Fanjavola, Talen’ny FOFIKRI-FFPM.

Continuer la lecture


ANTOKO POLITIKA ARORIAKA: Tsy nahazo alalana hamory vahoaka.


AUDIO : Odon Grégoire Rakotonirina, Filohan’ny Aroriaka

“Na tsy nahazo alalana hamory vahoaka eny amin’ny kianjan’ny demokrasia aza izahay dia tsy hihemotra haneho ny hevitray manoloana ny fibodoana tany ataon’ny orinasa Filatex satria raha mitohy izany dia ho lasan’ny vahiny avokoa ny tany rehetra eto Madagasikara”, hoy Odon Grégoire Rakotonirina, Filohan’ny Aroriaka. Nanam-pikasana hitaona olona eny Ambohijatovo amin’ny sabotsy ho avy izao ny Antoko Politika Aroriaka. Continuer la lecture


LE NOUVEL AN DES EX-MATAFS : Pour un anniversaire


Ainsi que pour la majorité des entités sociales, le regroupement des ex-matafs (anciens marins de la Marine Nationale) n’a pu célébrer le nouvel an 2016 que le 30 mars. Comme à l’accoutumée, les anciens marins ont passé une agréable journée chez un des leurs. Pour 2016, la fête a coïncidé avec l’anniversaire d’un ancien du Garde-côte Fanantenana converti dans le rang des Revivalistes du village blanc de Soatanana. Continuer la lecture