Andro voalohany an-tsary.
RAZAKA Oliva
Catégorie Socio-eco
VILLAGE DE LA FRANCOPHONIE : Tsy nahasakana ny famitana azy ny fanakianana.
Nigadona androany ihany ny andro voalohany handraisan’i Madagasikara ny Fihaonana an-tampony ny firenena mampiasa ny teny frantsay. Voatokana ihany ny « village de la Francophonie » eny Andohatapenaka, na dia betsaka aza ny fanakianana isan-karazany. Tsy nahasakana ny frankofonia ho tanteraka eto Antananarivo izany.
Ity vao tanteraka ilay fomba fiteny hoe : « manao zavatra tsy mora ». Ny alina mialoha ny frankofonia vao notokanana ny « village de la francophonie ».
Tonga teny Andohatapenaka nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny Filoham-pirenena, Hery RAJAONARIMAMPIANINA, ny Sekretera jeneralin’ny OIF, Michaelle Jean, ny Lehiben’ny Governemanta, ny Filohan’ny parlemanta roa tonta…
Nirina R.
SARY
VIMA: Varavarana misokatra ho an’ny orinasa ny « village de la francophonie ».
Anterivava: Zouzar BOUKA
“Fotoana manan-danja ho an’i Madagasikara ny fandraisana ny fihaonana an-tampony ny frankofonia”. Nambaran’ny Filoha mpanorina ny orinasa VIMA, Zouzar BOUKA fa varavarana ahafahan’ny orinasa eto Madagasikara misandrahaka any ivelany io fivoriana io. Continuer la lecture
MARIE STOPES: Raim-pianakaviana 2780 namatotra ny fantson’ny filahiany.
Fomba fanabeazana aizana natao ho an’ny lehilahy ny “Vasectomie”. Natokana ho an’ny ireo mpivady tsy maniry ny hiteraka intsony satria efa ampy ny isan-jaza ilaina. Raha ho an’ny ny toeram-pitsaboana Marie Stopes, nanomboka tamin’ny 2006 no mankaty dia raim-pianakaviana miisa 2780 no resy lahatra ka nampiasa ity fomba fandrindram-piterahana ity. Continuer la lecture
LALAN’NY FRANKOFONIA : Notokanana ihany na dia tsy vita hatramin’ny farany aza.
Misokatra ho an’ny rehetra ny lalana mampitohy an’ Ankasina sy ny lalana mankany Ivato. Etsy ankilany, entina hanamorana ny fifamoivoizana mandritra ny fihaonana an-tampony ny firenena mampiasa ny teny Frantsay eto Antananarivo no tena antony nanamboarana azy ity. Lalana mirefy 4, 759 km. Ny orinasa sinoa CRBC no nanamboatra izany. Continuer la lecture
CNTEMAD: Tsy voatery mandeha lavitra vao afaka mandranto fianarana ambony.
Efa nivoaka ny vali-panadinana enim-bolana voalohany ny Ivom-pampianarana fampitan-davitra CNTEMAD. Araka ny fanazavan’ny Tale Nasionaly, Djohary ANDRIANAMBININA fa nahafa-po tokoa vokatra raha ny taham-pahafahana no jerena. Continuer la lecture
ROTARY CLUB INTERNATIONAL ROMANS : Un chèque de 2000 euros pour Akamasoa
Le Dr Maurice Collin a conduit ses amis de France et de Canada auprès du Père Pedro à son bureau sis à Akamasoa Andralanitra. Après une visite au centre des Sœurs de la Communauté Orantes de l’Assomption à Vonelina Ambohidrapeto Itaosy, Maurice Collin a fait route sur Andralanitra via le bypass pour éviter les bouchons du centre ville. Continuer la lecture
SANTE & DEVELOPPEMENT : Maurice Collin déjà en terre malgache
Après avoir porté assistance aux Pygmées du Congo Démocratique et sillonné l’Afrique subsaharienne, le Dr Maurice Collin a déjà quadrillé l’Amérique Centrale (Venezuela, Colombie, Equateur…) avant de venir à sa 23ème mission dans la Grande Ile. Continuer la lecture
3EME EDITION GASTROTRAINING AFRIQUE : Journées de formation en endoscopie digestive pour l’Afrique francophone
Madagascar était à l’honneur lors de cet aréopage de la médecine dans la capitale française. D’imminents jeunes Professeurs nommés Rakotoambinina Benjamin et Ramanampamonjy Rado Manitrala constituaient le Comité Scientifique de Madagascar aux côtés des condisciples africains et européens. Continuer la lecture
FITRANDRAHANA AO SOAMAHAMANINA: Tsy ao anatin’ireo mitokona ireo mampanofa ny tany.
Fanadiadihana
Efa tsy eny an-toerana intsony ireo sinoa saika hitrandraka volamena ao Soamahamanina. Fitaovana vitsivitsy sisa no hita eny fa saika nampiakarana eto Antananarivo avokoa. Nitondra fikorontanana ho an’ny mponina ny Soamahamanina mihitsy ny fitrandrahana volamena saika ataon’ny orinasa sinoa JIUXING MINES. Araka ny fanazavan’ny tomponandrikitry ny serasera, Stella ANDRIAMAMONJY, miankina amin’ny fanapahan-kevitry ny fitondrana ihany ny fitohizan’ny tetikasan’ireo sinoa. Hatreto aloha dia mbola manan-kery ny fahazoan-dalana azon’izy ireo. Manan-kery mandritra ny 40 taona izany. Naato izany ny fitrandrahana. Raha nidina teny an-toerana izahay, tany sy tanimboly an’olon-tsotra maromaro ny tafiditra ao anatin’ny toeram-pitrandrahana. Mirefy 10 ha eo no efa vita fifanarahana tamin’ny tompon-tany. Havaozina isan-taona ny fifanarahan’ ny roa tonta. Naneho ny heviny ny raim-pianakaviana iray anisany mampanofa ny tany amin’ny sinoa fa mahazo tombony kokoa ny tenany amin’ny fampanofana ny tany. Voly mangahazo mantsy no voleny. “Manodidina ny 300.000 Ariary isam-bolana eo no hofan’izany”. Ankoatra azy, nanamafy ihany koa i Martin RASOLOMANANA fa tsy anisan’ireo mitokona isaky ny alakamisy ireo tompon-tany. Nambarany fa ireo mpitokona ireo mihitsy no tena manakorontana. Aiza ve ka isaky ny tsena alakamisy mitokona foana? Raha tsy maintsy atao aza izany maninona raha amin’ny andro hafa? “Tao anatin’izay fotoana nisavorovoroana izay tokoa dia nihena ny fidiram-bolan’ireo mpivarotra satria vitsy ireo mponina no mandeha miantsena satria matahotra sakoroka”, hoy izy.
Ankoatra ny fitrandrahana, tetikasa ho fampandrosoana tanana maro no nifanarahan’ny orinasa sy tanana ao Soamahamanina. Nilaza ny lehiben’ny fokontany, Laurent RAKOTONIRINA fa efa nisy fifampiresahana tamin’ny orinasa ary noezahina nampahafantarina izany ny fokonolona.
Fiahiana ara-tsosialy toy ny fanamboaran-dalana, tobim-pahasalamana , sekoly…no efa voarakitra ao anatin’ny bokin’andraikitry ny orinasa. Ho laharam-pamehana ihany koa ireo mponina amin’ny fandraisana mpiasa. 900 isaky ny fokontany eo no horaisina raha tontosa soamantsara ny fitrandrahana volamena ao Soamahamanina.
Nandeha ny resaka fa voakasika ny ala tapia. Nohamarinin’ny tale teknikan’ny orinasa, Dany RASOLOMANANA fa tsy voakasika mihitsy ny ity farany na ny toerana misy an-dry mopera aza. Nohazavainy ihany koa fa voafehy tanteraka ny toerana manomboka any amin’ny toeram-pitrandrahana ka hatrany amin’ny fanivanana ny tany. Noho izany, tsy ahiana handoto ny rano na ny renirano amin’ny manodidina ireo akora ampiasaina amin’ny dingana lalovana rehetra.
Nirina R.