Socio-eco

SECOURS ISLAMIQUE FRANCE : Mitondra ny anjara birikiny amin’ny fitantanana ny tandidon-doza sy ny loza


« Agents de terrains » 55 avy amin’ny fokontany 4 eto Antananarivo Renivohitra (Ankiheniheny, Ambodihady, Ambaravarankazo, Ankazomanga Atsimo) no nahazo fiofanana momba ny fitantanana ny tandidon-doza sy ny loza ny 9 desambra 2021 teny Ambohimanaraina. Ny ONG Secours Islamique France (SIF) no nikarakara ny fiofanana tamin’ny alalan’ny tetikasa Vonona izay vatsian’ny Vondrona Eraopeanina vola. Mandritra ny 2 taona ny tetikasa ary efa nanomboka tamin’ny volana jolay 2021 ka hatramin’ny volana jona 2023. Fikambanana  maro no miara-misalahy amin’ny fanatanterahana ny asa ary ao anatiny ny SIF. « Fikambanana miahy ny maha olona ny ONG SIF. Nanomboka ny taona 2009 no niasa teto Madagasikara izahay. Sehatra maro no iasanay toy ny fahampian-tsakafo, ny fanabeazana sy ny fiainan-tsoan’ny ankizy, ny rano sy fiodiovana, ary ny fampihenana ny tandidon-doza sy ny loza. Noho ity fampihenana ny tandidon-doza sy ny loza ity indrindra no antony nanatanterahana ny tetikasa Vonona sy nikarakarana izao atrikasa izao », hoy Lalaina ANDRIAMANIRIMANASOA,  Assistante du Chef de Mission du SIF

Nambarany fa ho fampihenana ny isan’ny maratra, maty, ny fahasimban’ny fananan’olontsotra na iombonana ; Ho fiatrehana sy fisorohana ny voka-dratsy ateraky ny loza voanjanahary eny anivon’ny sekolim-panjakana ambaratonga fototra (EPP) sy eny anivon’ny fokontany no tanjon’ny tetikasa. Mba hisian’ny vokatra azo tsapain-tanana dia ho atsangana ny komity hitantana ny tandidon-doza sy loza eny anivon’ny fokontany sy ny EPP ary samy hamolavola ny drafitr’asa ahafahana miatrika ny tandidon-doza sy loza mifanaraka amin’ny zava-misy isaky ny fokontany sy ny EPP ireo komity ireo.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *