Socio-eco

SALON DES ETUDES SUPÉRIEURES: Manome torolalana ny mpianatra ny lalam-piofanana mety aminy


Ialàna amin’ny diso safidy amin’ny lalam-piofanana  sy tsy fahitana asa. Marobe ireo tanora vao afaka bakalorea no tsy mbola manana hevitra ny lalam-piofanana hanohizany ny fianarana ambaratonga ambony. Ho fanampiana azy ireo indrindra dia nanokana trano heva hanoroana azy ireo ny lalam-piofanana mety aminy, mifanaraka amin’ny fahaizany sy manavanana azy ireo  ny Mada Jeune. Mandritra Salon des Études Supérieures, nanomboka androany 7 septambra ary hifarana rahampitso 8 septambra 2023, eny amin’ny Akoor Digue Andohatapenaka no ahitana izany. Ny fikambanana TTanora no handray azy ireo eny an-toerana. Mampanao fitsapam-pahazaina ho an’izay te hahalala ny lalam-piofanana mety aminy ny fikambanana. Manoro azy ireo ny asa mifanaraka amin’izany. Manome torolalana ny tanora manomboka any amin’ny kolejy no ataon’ny fikambanana mba ialàna amin’ny diso safidy amin’ny lalam-piofanana sy tsy fahitana asa. Manampy azy ireo hahalala ny lalam-piofanana  mety aminy  ny fikambanana TTanora amin’ny alalan’ny fanaovana fitsapam-pahazaina sy fijerena ny manavanana ilay mpianatra. Misy manam-pahaizana manokana momba io fanoroana ny tanora ny lalam-piofanana mety aminy sy ny asa mifandraika amin’izany eny an-toerana.  « Manoro lalana ny tanora ny lalam-piofanana sy asa mifanaraka amin’izany no ataon’ny TTanora. Manomboka any amin’ny kolejy dia manoro azy ireo ny sokajy, ny lalam-piofanana sy ny asa mifanaraka amin’izany ary dingana rehetra ahatongavana amin’izany ny fikambanana. », hoy i Andriamiarozakamananjo Lalaina, Tomponandraikitry ny serasera ao amin’ny TTanora. 20 taona no nikarakaran’ny Mada Jeune ny « Salon des Études Supérieures ». Anisany antom-pisiany ny fampahahafantarana bebe kokoa ireo lalam-piofanana misy sy oniversite mifanaraka amin’izany.  « Olana amin’ny tontolon’ny fampianarana eto Madagasikara ny tsy fahampian’ny torolalana alohan’ny BAC  toy fampahafantarana ny mpianatra dieny any amin’ny kolejy sy lisea ny sokajy sy ny lalam-piofanana  mifanaraka amin’izany ary ny asa afaka atao », hoy i Andriamahatsangy Lahatra, mpikarakara ny hetsika. Oniversite tsy miankina eto Madagasikara sy any ivelany, ivon-toeram-pampiofanana arak’asa miisa 70 no mandray anjara amin’ity andiany ity. Miisa 100 kosa ny trano eva. Tsy misy ny vidim-pidirana.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *