Interview...Anterivava

SALFA/FLM : Soritr’asa miady amy VIH/SIDA


 

Nikaon-doha nandritra ny roa andro tetsy amy Farihy Ivato ny lohandohan’ny mpisorona amy Sampan’Asa Loterana momba ny Fahasalamana (SALFA) sy ireo mpandrindram-paritra. Nanasana ny Foibe Loterana sy ny Mpanao gazety izany. Anterivava an’ny Dr Rasamimanana Nivo Nirina, Mpandrindra nasionaly ny Ady amy Tazomoka sy Tiberkilaozy ary SIDA.

Délire Madagascar (DM): Inona tompoko ny zavatra noketrehanareo SALFA teto Ivato ?

D_lire VIH SIDA dokotera Rasamimanana Nivo Nirina

Rasamimanana Nivo Nirina (RNN): « Fivoriana fihaonana ataon’ny soritr’asa miady amy SIDA ao amy SALFA ho an’ireo Raiamandreny mpitarika ny Fiangonana Loterana Malagasy, mba ahafahan’ny Soritr’asa miditra ao amin’ireo sampana maro samy hafa ato amin’ny Fiangonana dia ny sampana Tanora, Skoto ary Sekoly Alahady sy ireo mpianatra marobe amy Kolejy lotrerana manerana an’i Madagasikara »

 

DM: Fahavelony ny Kardinaly Razafindratandra dia nilaza fa tsy azo antoka 100% ny fampiasana kapôty ho fiarovana. Ahoana kosa ny hevitry ny FLM momba io fitaovam-piarovana io?

RNN: « Eny tokoa! Ny FLM dia manana ny fijeriny manokana mikasika ny fampiasana ny fimailo na « préservatif ». Raha amin’ny lafiny fisorohana « prévention » dia tsy mizara kapôty ny FLM. Fa raha eo amy sehatry ny fitsaboana kosa, izay ao anatin’izany ny sehatry ny SALFA, amin’ny olona marary mitondra ny tsimoka aretina, ao anatin’izany ny aretina vokatry ny firaisana ara-nofo, dia azo ampiasaina ara-dalàna ny préservatif »

 

DM: Analamanga, Boeny, Menabe, maninona no ireo faritra telo ireo ihany no hiasanareo?

RNN: “Misy fandaminana eo anivon’ny mpiara-miombona antoka rehetra amy fanatanterahana an’ity asa ity, ka faritra valo no hiasana amy ny ankapobeny. Notsinjaraina ho an’ny mpanatanteraka ireo. Ny an’ny SALFA moa izany dia ireo telo ireo ihany no hiasany, fa mety mbola hitatra amy faritra hafa amy manaraka”

 

DM: Inona moa ity Round 8 ity? Misy ady totohondry ifanaovana angaha?

RNN: “Ny Round 8 dia programan’asan’ny Global Found na Fonds Mondial izay mpamatsy an’ity soritr’asa ity. Efa nisy maro ny dingana natao hatramin’izay namatsiany vola niady amy SIDA sy tazomoka sy tiberkilaozy, dia efa nisy ireo dingana taloha: 1 hatramy faha 7. Ity Round 8 ity izany no faha 8 nanomboka tamy taona 2010 ary hifarana amy izao 2016 izao”

Nanangona Razaka Oliva


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *