Evenement

REVY REVY MODY MASOANDRO: Ny tarika Mahaleo, Samoela, Lolo sy ny Tariny no hanafana ny seho amin’ny 28 jolay 2024


Seho miavaka sy tsy hay adinoana. Mpanakanto malagasy fanta-daza no hanao fampisehoana mandritra ny Revy Revy mody masoandro, atao ny 28 jolay 2024, eny amin’ny CCI. Hiaka-tsehatra hanafana ny seho amin’ny endriny afon-dasy sy amin’ny toerana iray ny tarika Mahaleo, sangany amin’ny gadona “folksong” malagasy, i Samoela, mpanakanto  nahavita nampiroborobo ny Vazo miteny tamin’ireo taranaka nifandimby ary i Bebey sy Benny, mpanakanto manana mampiavaka azy, mpikambana ao amin’ny tarika Lolo sy ny tariny. Manome toky amin’ny mpankafy an’arivony izy ireo fa ho seho miavaka, hipetraka ho tantara tsy hay adinoana ny Revy Revy mody masoandro 2024. Mikarakara ity hetsika ara-koltoraly ity ny Louvto Company  ary noho ny fahaiza-manaony amin’ny fikarakarana hetsika indrindra no anisany antony hanohanan’ny Airtel Madagasikara ny seho iarahana amin’ny tarika Mahaleo, Samoela, Lolo sy ny Tariny. “Tao anatin’ny fotoana maro dia nanamarika ity seho momba ny mozika sy fety  ity ny fahaizan’ny mpikarakara mampitolagaga sy manome fahafaham-po ny mpijery izay maniry ny hahita traikefa vaovao sy mangetaheta fialamboly . Ny Revy revy mody masoandro dia mampiseho hatrany ireo tarika nanamarika ny tantaran’ny  mozika malagasy , noho ny fananana traikefa sy fahaiza-manao  amin’ny lafiny famoronana. Tsapa tokoa fa mifanaraka amin’ny teny filamatry ny orinasa: mihoatra lavitra amin’izay eritreretina izany ka nahatonga anay nanapa-kevitra hanohana ny fampisehoana”, hoy Julie Raharilalao, Tale ara-barotry ny Airtel Madagasikara, nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ny 01 jolay 2024. Nanamafy izy fa fomba fanaon’ny oriansa hatramin’izay ny fanomezana tohana ny kolontsaina malagasy, ao anatin’izany ny sehatry ny mozika sy ireo mpisehatra manodidina izany. Noho izany, manohana foana ireo olona mahavita mamorona sy amin’ny fomba vaovao ny orinasa. Amin’ny maha mpanohana ny Airtel Madagasikara, dia hanamora ny fiainan’ireo mpankafy mozika sy fety, mandritra ny Revy revy mody masoandro andiany faharoa, amin’ny alalan’ny tolotra isan-karazany ny orinasa. Efa azo jifaina ao amin’ny tranokalan’ny Ticket Place ny tapakila ary azo vidiana amin’ny  Airtel money.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *