Socio-eco

PROTOCOLE DE MAPUTO: Marobe ny zon’ny vehivavy voafaritra ao anatin’ny fifanarahana fa tsy resaka ITG ihany


Mangatak’andro lava nefa te handroso aingana. “ Azo lazaina fa ny vehivavy no fototry ny fampandroso ny firenena”. Anisany sakana tsy ankatoavan’i Madagasikara ny Protocole de Maputo (PM) ny andalana iray ao amin’ny andininy faha-14 ao anatin’ity fifanarahana ho fiarovana ny zon’ny vehivavy eto Afrika ity. Milaza ny andalana faharoa, tapany (c)  amin’io andininy momba ny fiarovana  ny zo amin’ny fahasalamana sy fanarahamaso ny fiainana ara-pananahana io fa ny fanjakana no mandray ireo fepetra araka ny tokony ho izy ahafahana miaro ny zon’ny vehivavy ara-pananahana, indrindra ny fanomezana alalàna ny fampitsaharana vohoka ara-medikaly, raha toa ka vohoka azo avy amin’ny herisetra ara-pananahana, na fanolanana, na firaisana ara-nofo  mamoafady (mpihavana akaiky…) na koa raha mampidi-doza ny fahasalamana ara-tsaina, ara-batan’ilay reny, na ny ain’ilay reny na ny ain’ilay zaza ao an-kibony, ny fitondrana vohoka. Misy andininy 32 anefa ao anatin’ny fifanarahana mikasika ny sata afrikanina momba ny zon’olombelona sy ny vahoaka mifandraika amin’ny zon’ny vehivavy ary marobe ny zon’ny vehivavy voaresaka ao, toy ny zo amin’ny fiahiana ara-tsakafo, zon’ny vehivavy maty vady,  ny fiarovana manokana ara-tsosialy ny vehivavy zokiolona, zo hahazo fanabeazana sy fiofanana, zo hisitraka fampandrosoana maharitra…

Nanatanteraka fivoriana niarahana tamin’ny fikambanana Forum Génération Egalité (FGE)  ny tambazotran’ny haino vaky jery aman-tranokala, eto Afrika, mikirakira ny vaovao momba ny fahasalamana sy tontolo iainana (REMAPSEN) eto Madagasikara, sampana momba ny zo sy fahasalamana ara-pananahana (DSSR), ny 17 jolay 2024 ho fampahafantarana sy ho fampatsiahivina ny fisian’io fifanarahana io sy ny tokony hankatoavan’ny fanjakana izany. “Tena ilaina ny fampiharana ny Protocole de Maputo satria miaro ny zon’ny vehivavy. Misy andininy maro ao anatin’ny fifanarahana, marobe ny zon’ny vehivavy ao fa tsy resaka fampitsaharana vohoka noho ny antony ara-pahasalamana (ITG) ihany”, hoy i Lolonirina  Nivoseheno Jessica, mpikambana ao amin’ny FGE. Nanamafy ihany koa i Raparaoelina Tendry, mpikambna ao amin’ny FGE fa “tombony lehibe ho antsika ny fankatoavana io fifanarahana io satria voasahana ao daholo ny zon’ny vehivavy. Hita fa ny firenena rehetra nampihatra izany dia misy fivoarana be fa ireo firenena tsy mbola nampihatra izany kosa dia voakilasy ao anatin’ireo firenena manerantany ho manana taha ambony amin’ny hanoanana, ao anatin’izany i Madagasikara”. Efa nanasonia ny PM i Madagasikara ny volana febroary 2004,  saingy tsy mbola nampihatra izany, 21 taona aty aoriana. Tsiahivina fa nankatoavin’ny fivoriambe faharoan’ny fihaonambem-pirenena an’ny Vondrona Afrikanina, ny 11 jolay 2003 tany Maputo ny PM. Firenena 44 mpikambana ao amin’ny  Vondrona Afrikanina (UA) no efa nankatoa izany ary 11 no tsy mbola nampihatra azy ity, ao anatiny  ny firenena malagasy.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *