Toy izao no fanambarana sy fanentanana navoakan’ny te anivon’ny fiadidiana ny Primatiora eny Mahazoarivo:
-Azo sitranina zato isan-jato izany aretina izany raha vantany vao marary ka entina avy hatrany eny amin’ny hopitaly ilay olona, ary arahina ireo fepetra rehetra lazain’ny mpitsabo.
– Fadio araka izany ny manao dokotera tena.
– Avy amin’ny parasy, ny voalavo sy ny loto ny pesta koa entanina ny isan-tokantrano mba hanadio ny manodidina azy sy tsy hanary ireo potikanina toa ny varimasaka satria ireny no misarika ny voalavo.
-Rarana ny famoriambahoaka samihafa mba hiarovana ny tsirairay toa ny fety. Fepetra noraisina manokana ho an’ny fifaninana baskety ao amin’ny lapan’ny fanatanjahan-tena ny anaovana azy mikato trano sy tsy azon’ny be sy ny maro hatrehina hatramin’ny dingana famaranana noho ny trangan’aretina pesta izay nahafaty ilay seychellois.
– hamafisina ny fizaham pahasalamana izay mivoaka sy miditra eto Madagasikara, izay atao eny amin’ny seranam-piaramanidina sy eny amin’ny toerana ijanonan’ny taxi-brousse
Misy ny tetibola iadiana amin’ny pesta ary ireo mpiara-miombon’antoka dia manampy an’i Madagasikara amin’ny fisorohana izany aretina izany. Araka izany dia misy famandriam-boalavo 20 000 ho zarain’ny OMS. Sady maty ny voalavo no maty ny parasy amin’izany famandriam-boalavo izany.Eto Madagasikara ihany ny orinasa mpamorina izany ka tsy misy ahiana raha lany ireo. Maimaimpoana izany famandriam-boalavo izany.
Nisy fivoriana tsy ara-potoana entina hisorohana ny fihanaky ny aretina pesta teny Mahazoarivo androany 30 septambra 2017. Fivoriana izay notarihin’ny Praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier sy notronin’ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka, ny minisitry ny fanatanjahan-tena, Minisitry ny Rano, ny Angovo ary ny Akoranafo, ny solontena maharitry UNICEF, ny OMS, ny PNUD