Catégorie politique



Pr James RATSIMBA: “Sarimihetsika fotsiny ihany no nataon’ny loholona Lylison sy ny Jeneraly Florens”.


AUDIO : Pr James RATSIMBA

“Na ny fihetsika nataon’ny loholona Lylison René de Rolland na ny an’i Jeneraly Florens Rakotomahanina dia samy tetika maloto avokoa. Ny frantsay ihany no ao ambadik’ireny”, hoy Profesora James RATSIMBA. Nambarany fa sarimihetsika fotsiny ireny fifanandrinana ireny. Continuer la lecture


Retovo LATIMER: Ny mpanao politika no mampitarazoka ny raharaha Anjozorobe.


“Efa mizotra amin’ny fampiraharahana  ny fianakavian’i TSIMIONDRA, ilay manana zanaka maty voatifitra tao amin’ny toeram-pitrandrahana Marotsipohy Anjozorobe”, araka  ny  fanazavan’i  Retovo LATIMER, Filohan’ny Fikambanana Zanaka Androy. Raha ny  tokony ho izy dia efa ela no niravona ity disadisa ity fa  ireo mpanao politika no misavika ny raharaha mba handrodanana ny fitondrana ankehitriny.  Raha jerena mantsy ireo mpanao politika manohana ny fianakaviana dia toa avy amin’ny tetezamita avokoa. Continuer la lecture


Vie de parti : Le “Fanilo” conteste ses « leaders » !


 

 Le Conseil d’Orientation (CO) composé des grands barons du parti Leader –Fanilo a recemment annoncé par voie de presse la « suspension »  du Bureau national de coordination dont les membres ne sont autres  que les leaders du parti, à savoir le président national Jean Max Rakotomamonjy, non moins président de l’Assemblée nationale, les vice-présidents Constance Razafimily non moins député, Toto Alphonse, etc…

Continuer la lecture


FITAKIANA NY « ILES EPARSES » : Tsy navelan’ny mpitandro filaminana hanao ny hetsika


Nosakanan’ny mpitandro filaminana tsy hanao ny hetsika ireo vondron’ny mpitaky ireo nosy kely Malagasy. Tonga teny Ambohijatovo izy ireo nahitana an’i ANDRIANJAKA Rajaonah…Nandefasana vovoka mandatsa-dranomaso mihitsy. Tsy niala teny anefa izy ireo na dia nisy aza izany. Voasakatsakana ihany koa anefa ny fifamoivoizana noho ny sakana ataon’ny mpitandro filaminana ny lalana mba hanakanana azy ireo tsy ho any Analakely. Nanentana izay tia tanindrazana izy ireo ho tonga eny amin’ny foiben’ny otrikafo etsy Andravohangy rahampitso amin’ny 10 ora maraina.
Marihana fa ny filoha Hery RAJAONARIMAMPIANINA raha nanao ny kabariny teny Mavoloha dia niteny fa « hajaintsika ny zo haneho hevitra sy fahalalahana noho ny maha demokraty antsika. Aoka kosa tsy hisy ny fihoaram-pefy mitondra amin’ny fampiadiana amin’ny samy Malagasy, mitondra amin’ny fanelezana lainga sy tsaho mampisavorovoro ny saim-bahoaka, mitondra amin’ny fanitsakitsahana ny zony sasany ». Ka asa na inona amin’ireo no zavatra nitranga teny Ambohijatovo ny Sabotsy lasa teo? Nanaja ny zo naneho hevitra ve ny fanjakana ? tena demokraty tokoa ve ? Nisy fihoaram-pefy ve teny ka nampiady ny Malagasy ? Namafy lainga sy tsaho ve ny mpitarika ny hetsika ka nisavorovoro ny saim-bahoaka? Ny mpitandro filaminana indray aza no nanitsakitsaka ny zon’ny sasany tsy handeha malalaka fa nosakanana ny lalana. Tsy navela andeha amin’ny sisin-dalana izy ireo raha nangataka ny andeha amin’izany.
Araho ny zavatra ny tranga teny Ambohijatovo amin’ity horonan-tsary ity.
Nirina R.

VIDEO