Catégorie politique



DFP: “Tandindomin’ny asa fampihorohoroana i Madagasikara”.


Ho avy eto Madagasikara ny filoham-pirenenan’ny Turquie, Tayyip Erdoğan. Nambaran’ny vovonana Dinika ho Fanavotam-Pirenena (DFP) anefa fa malaza ho lohandohan’ny mpisorona amin’ny asa fampihorohoroana izy ity.

Anterivava : Maharavo RATOLONJANAHARY

“Ny vondrona eropeanina aza matahotra  azy ka izany  no mahatonga an’io firenena tsy ho voaray ho mpikambana ao anatin’ny frankofonia”, hoy i Maharavo RATOLONJANAHARY, Filoha Mpandrindra  ny DFP.

Niantso ny mpanao gazety mihitsy ny DFP satria mampiahiahy ny fivahinian’ity filoham-pirenena vahiny ity eto amintsika. Nambarany fa raha teraka ny fifanarahana ara-diplomatika amin’ny firenena Turc dia ho tandindomin-doza amin’ny asa fampihorohoroana ny vahoaka Malagasy.

Noho izany, manaitra ny mpiray tanindrazana ny DFP mba ho mailo sy hifoha amin’ny torimasony.

Lynda A.


AUGUSTIN ANDRIAMANANORO : Tantara mitohy…Soamahamanina…niditra Viva Ambodivona…traingo teny am-pasana teny Itaosy… Ilay olo malazan’ny tetezamita.


Voasambotra teny am-pandevenana ny rahavavin-dreniny i Augustin ANDRIAMANANORO ny Sabotsy hariva lasa teo. Izao ilay tonga amin’ny fitenenana hoe « manararao-paty ». « Tsy rariny sy manalabaraka anay fianakaviana izao ataon’ny mpitandro filaminana izao satria ao anatin’ny fandevenana ny havany no nitranga ny fisamborana », hoy ny fianakaviany. Continuer la lecture


HERY RAJAONARIMAMPIANINA : Filohan’ny Fihaonana an-tampony ny frankofonia.


Filoham-pirenena 20 amin’ny 30 nambaran’ny Ministry ny raharaham-bahiny, Atallah Béatrice no tonga nanatrika ny fihaonana an-tampony’ny frankofonia. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy androany izany. Ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, Hery RAJAONARIMAMPIANINA indray manomboka izao no Filohan’ny fihaonana an-tampony ny firenena mampiasa ny teny Frantsay Natolotry ny Filoham-pirenena Senegaly, Macky Sall azy ny fitantanana.
Nirina R.

HORONANTSARY


FRANÇOIS HOLLANDE : « Madagascar a trouvé sa stabilité politique ».


François Hollande

« Madagascar est pleinement réintégrée dans la communauté française et a trouvé sa stabilité politique. La France reste toujours à vos côtés parce que nous allons prendre une initiative de rassembler des bailleurs pour que nous puisons vous apporter des fonds que vous attendez », proclame le Président de la République Français, François Hollande. Continuer la lecture