Socio-eco

POESAM 2024: Hanamora fampanan’asa ireo mpianatra nandalina ny informatika ny tetikasa Kante Company


Tsy an’asa ny 48,5% ny mpianatra nivoaka tamin’ny lalam-piofanana informatika noho ny tsy fahampian’ny traikefa. Ambony be anefa ny tahan’ny tolotr’asa momba ny nomerika. Ho fanamafisana ny fahaiza-manaon’ ireo tanora nandalina ny informatika sy ho fanamorana ny fidiran’izy ireo amin’ny sehatry ny asa no nanangan’ i Andriamitasoa Roussel Célestin sy ny ekipany ny tetikasa Kante Company.  “Raha 100 ny mpianatra mivoaka amin’ny lalam-piofanana momba ny informatika dia ny 50 amin’ireo ihany no miasa. Tsy mifanaraka amin’ny fepetra takian’ny orinasa ny fahaiza-manaon’ireo mpianatra noho ny tsy fahampian’ny traikefa na fahaiza-manao. Manampy ireo mpianatra hanamafy ny fahaiza-manao ara-teknika sy serasera, araka ny filàn’ny orinasa noho izany ny tetikasa Kante Company. Afaka mianatra sady manampy traikefa azo teny amin’ny oniversite izy ireo amin’ny alalan’ity plateforme digitale ity. Afaka manao fizaran’asa ihany koa, manomboka taona faharoa, amin’ireo orinasa mpiara-miasa eto an-toerana sy any ivelany ary mahazo karama avo telo heny amin’ny karama antonony eto an-toerana”, hoy i Andriamitasoa Roussel Célestin, mpianatra taona fahadimy  amin’ny informatika, eny amin’ny oniveriste.  Nandray anjara tamin’ny fifaninanana nasionaly “Prix de l’Entrepreneur Social en Afrique et Moyen-Orient » na POESAM 2024 ny tetikasany ka nandrombaka ny laharana voalohany. Tohana ara-bola mitentina 10.000.000 Ariary miampy « abonnement  internet »  ny loka azony.

Nitana ny laharana faharoa sady nahazo ny “Prix Féminin” ny tetikasa BRAI, nentin’i Andréa Valéria Andriatefiarinesy. Miompana amin’ny famokarana fitaovana ahafahan’ny olona manana fahasembanana  ara-pahitana mamaky antotan-taratasy tahaka ny olona mahita ny  tetikasany. Mitentina 8.000.000 Ariary  sy « abonnement internet » ny loka azony amin’ny maha laharana faharoa ary 8.000.000 Ariary  ihany no azony tamin’ny “Prix Féminin”. Natolotra ny tetikasa Makimaps ny loka fahatelo, tohana ara-bola mitetina 4.000.000 Ariary sy finday “Smartphone”. Miompana amin’ny famokarana “application” manampy ny orinasa madinika sy salantsalany (PME) sy vaventy mamaritra amin’ny fomba tsotra ny toeram-piasany  ny tetikasan’i  Tsiaro Ralitera. Ankoatra izany,  mbola mahazo tantsoroka momba ny fandraharahana eo anivon’ny Orange Fab ireo mpandresy tamin’ny andiany faha-14. Natolotra tamin’ny fomba ofisialy ny zoma20 septambra 2024, teny amin’ny Orange Digital Center, Gare Soarano ny lokan’izy ireo. “Ao anatin’ny fandaharan’asan’ny Orange fanomezana tohana ho an’ny fandraharahana, izay mifanindran-dalana amin’ny tanjon’ny fampandrosoana lovain-jafy  (ODD) sy ny vinan’ny fitondram-panjakana. Amin’ny alalan’ireo fandaharan’asa eto amin’ny Orange Madagasikara dia mandray anjara amin’ny fampanana’asa ny tanora sy fampiroboroboana ny fandraharahana izahay”, hoy i Frédérice Debord, Tale Jeneralin’ny Orange Madagasikara. Niforona ny taona 2011 ny POESAM ho fanohanana ireo tetikasa mitondra aingavao sy mitrandraka ny soa avy amin’ny  teknolojia vaovao mba hitondra vokatsoa ho an’ny lafiny  fanabeazana, fahasalamana,  “e-commerce”, fambolena ary tontolo iainana. Ho an’ny andiany faha-14, tetikasa 200 no nifaninanana ka ny valo (08) tamin’ireo no tafiakatra tamin’ny dingan’ny famaranana.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *