Tetikasa telo hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny fifantenana ireo tetikasa hisitraka ny loka omen’ny Orange ho an’ny mpandraharaha ara-tsosialy manerana an’i Afrika sy Moyen-Orient (POESAM), andiany 2017. Hifaninana amin’ireo 51 notsongaina ny tetikasa momba ny fizarana ny sakafo tsara kalitao sy azo hohanina « Manzer-Partazer », ny fisitrahana ny angovo azo havaozina « Majika » ary famantarana ny toe- pitohanan’ny fiarakodia amin’ny fotoana rehetra « Betaksys System Madagascar ». Amin’ny alalan’ny fampiasana ny finday avokoa no hanaovana izany.
Araka ny fanazavana voaray, miompana amin’ny fambolena, angovo, fanabeazana, « e-commerce »… ny POESAM. Hotohanana ara-bola mitentina 5000 ka hatramin’ny 25.000 euros ny tetikasa efatra mendrika indrindra.
Nozarain’ny orinasa Orange eto Madagasikara amboara ireo telo tetikasa voafidy avy eto an-toerana hiatrika ny POESAM 2017.
Nirina R.