Socio-eco

ORANGE SOLIDARITÉ DE MADAGASCAR: Vita ny fanarenana ireo sekoly ravan’ny rivondoza Batsirai ao amin’ny distrikan’ny Manakara sy Mananjary


Fotodrafitr’asa mendrika ho an’ny fanabeazana. Sekoly miisa 10 ao amin’ny faritra Vatovavy sy Fitovinany  no  nohavaozina noho ny fifanomezan-tanana nataon’ny Orange Madagascar, tamin’ny alalan’ny Orange Solidarité de Madagascar. Ravan’ny rivondoza Batsirai tamin’ny taona 2022 ireo sekoly ao Manakara sy Mananjary ireo. Noho ny fanohanana avy amin’ny Fondation Orange dia nandray ny  andraikiny tamin’ny fanarenana ireo sekoly ny Orange Solidarité. Niompana tamin’ny fanamboarana ny efitranon-tsekoly, fanavaozana ny tafo, fanamboarana ny toeram-pidiovana ny asa. Efitranon-tsekoly miisa 44 no vita fanavaozana, tamin’ny alalan’ny fanampian’ireo mpiasa miisa 250. Nisy tamin’ireo mpiasa ireo no sahiram-pivelomana vokatry ny fandalovan’ny rivondoza. Nitondra ny anjara birikiny ihany koa  ny mponina tao an-toerana tamin’ny fanamboarana ireo foto-drafitrasa . Anisan’ireo sekoly nohavaozina tao amin’ny faripiadidiam-pampianarana Manakara ny  EPP Tanambao, CEG Ambahatrazo, EPP Lokomby ary EPP Ambila. Ny EPP Ambohimiarina II, EPP Antsenavolo, EPP Fenoarivo, EPP Joseph Robert, EPP Beronono  ary EPP Tsarahafatra kosa no tao CISCO Mananjary. Ankoatra izany dia notolorana dabilio miisa 600 ireo sekoly ireo. « Ny fanabeazana no lova tsara indrindra. Ho atolotray ho an’ny mpianatra eto amin’ny faritra Vatovavy sy Fitovinany ireto fotodrafitr’asa ireto. Isaorako manokana ny fikambanan’ny Ray aman-drenin’ny mpianatra sy fokonolona. Nanao ny ainy tsy ho zavatra izy ireo tamin’ny fanatanterahana ny asa », hoy i Benja Arson, Filohan’ny Orange Solidarité de Madagascar. Ny 26 jolay 2022 lasa teo no notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny fanavaozana ireo sekoly miisa 10 ireo izay lasa sekoly nomerika.  Sekoly nomerika 4 ihany koa no napetraka tao Manankara sy Mananjary. Anisan’ny nisitraka ny fandaharan’asan’ny Orange Solidarité ny EPP Joseph Robert, EPP Antsenavolo, EPP Ambila ary ny EPP Tanambao. Samy nomena fitaovana nomerika avy ireo sekoly toy ny « tablettes, serveur Raspberry,  laptop,  vidéoprojecteur,e speaker, casques ». Nahazo fiofanana momba fampiasana azy ireo ihany koa ireo mpampianatra. « Amin’ny alalan’ny sekoly nomerika dia mandray ny andraikiny ny Orange Madagascar amin’ny fampisitrahana ny rehetra ny nomerika, ny fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana, fampihenana ny elanelana amin’ny lafiny nomerika, fampitoviana ny rehetra hahazo fanabeazana nomerika na inona fari-piainany na inona fiaviany », hoy i Frédéric Debord, Tale Jeneralin’ny Orange Madagascar. Nambarany fa ho fanamorana ny fahaizan’ny mpianatra ao amin’ny kilasy ambaratonga fototra sy faharoa ity fandaharan’asa ity.

 Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *