Voasokajy ho orinasa manana politikan’ny fitantanana ny mpiasa ao aminy ny “Orange Madagascar”. Nahazo ny amboara “Top employer” ity tambazotran- tserasera ity taorian’ny fitsirihana sy fanadihadiana ny dingana sy ny antontan-kevitra momba izany.
Anisany singa iray nandrombahan’ny Orange ny amboara ny fepetra ahafahan’ny mpiasa misitraka asa tsara sy mivelatra hatrany amin’ny tontolon’ny asa. Ao anatin’izany ny fanamafisana ny fahaiza-manao amin’ny alalan’ny fanomezana fiofanana. “Miantoka ny fampiroboroboana ny orinasa ny traikefan’ny mpiasa na lahy na vavy ka mendrika ny tohanana izy ireo”, hoy ny Tale Jeneralin’ny Orange, Michel DEGLAND.
Natao tany Johannesbourg ny 12 oktobra 2017 ny fizarana ny amboara Top employer 2018 ka nanatrika izany ny Tale misahana ny mpiasa, Zo Andriatsilavo.
Nirina R.