Socio-eco

ORANGE MADAGASCAR: Manana tolotra internet manomboka amin’ny 49.000 Ariary ny Orange ary tsy misy « engagement » ny Wifiber Go+, Discovery, Prime


Nanavao ny tolotra  internet ampiasaina ao an-trano  mandeha Wifi ny  Orange. Nampahafantarina  ny 04 novambra 2024, teny amin’ny Gare Soarano fa tsy misy “engagement” manomboka izao ny Wifiber Go +, Wifiber Discovery  ary ny Wifiber Prime.  Manana tolotra internet  Wifiber Go  ihany koa  ny orinasa, manomboka amin’ny 49.000 Ariary fa misy “engagement”. 49.000 Ariary ny 100 Go raha manao “abonnement” 24 volana ary  59.000 Ariary  raha 12 volana.  Ankoatr’izay, nitombo ny “giga” ao anatin’ireo tolotra tsy misy “engagement”:  lasa  250 Go ny Wifiber GO + raha 150 Go izany teo aloha, lasa 500 Go ny Wifiber Doscovery raha 300 Go teo aloha ary lasa 900 Go ny Wifiber  Prime raha 500 Go izany teo aloha. Azo ampiasaina ao anatin’ny 30 andro ny tolotra Freefiber  50 Go raha 15 andro teo aloha ary  nidina ihany koa ny vidiny.  “Mba  ahafahan’ny  daholobe misitraka internet haingam-pandeha  sy ireo tolotra nomerika no antony nanatsarana ny tolotra Wifiber. Afaka mampiasa ireo tolotra ireo na aiza na aiza, rehefa misy réseau Orange”, hoy i Frédéric Debord, Tale jeneralin’ny Orange Madagascar.  Afaka ho entina mandehandeha ny  “box” ary azo ampaisaina na tapaka aza ny jiro satria matanjaka ny batterie ao anatiny.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *