Mpiasa 500 ao amin’ny Orange Madagascar no nisitraka tolotra ara-pahasalamana ny 26 jolay 2024. Mikarakara andro natokana ho an’ny fanentanana ny mpiasa momba ny andraikitry ny orinasa amin’ny lafiny fahasalamana, ny fiainan-tsoa, sy ny fiarovana mpiasa ary ny fepetra arak’asa ny Orange Madagascar isan-taona. Toerana efatra no nanaovana izany ny alahady teo: teny amin’ny Tour Ankorondrano, Tanjombato, Fianarantsoa ary Mahajanga. Afaka nanao fitiliana momba ny tsimokaretina VIH/SIDA sy diabeta ary tosidrà ny mpiasa tamin’io fotoana io. Nisy ihany koa ny hetsika fanentanana momba fanomezan-drà sy vaksiny. Nisitraka fitiliana momba ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza ihany koa ireo mpiasa tany Mahajanga sy Fianarantsoa. Anisany nahazo tombontsoa tamin’ny hetsika ara-pahasalamana ny vady aman-janakin’izy ireo. “Laharam-pamehana ny fahatsaran’ny kalitaon’ny fiainan’ny mpiasa. Amin’ny maha orinasa miahy ny maha olona ny Orange dia miezaka ny orinasa manao ny fomba rehetra hiantohana izany. Miaraka amin’ny fanohanan’ireo mpiara-miasa amin’ny lafiny fahasalamana dia matetika izahay manokana andro ho fanentanana sy fanohanana ny mpiasa amin’ny lafiny fahasalamana”, hoy i Frédéric Debord, Tale jeneralin’ny Orange Madagasikara, nandritra ny fanokafana ny hetsika.
Teboka lehibe ao anatin’ny paikady momba ny fitantanana arak’olona an’ity orinasa momba fifandraisan-davitra ity ny resaka fiahiana ny fasahalamana sy fiarovana ny mpiasa. Misitraka fiantohana ara-pahasalamana ny 100 % amin’ireo mpiasa manana fifanarahana arak’asa tsy misy fetra (CDI) sy ny vady aman-janak’izy ireo. Misy sampandraharahan’ny OSTIE ao amin’ny foiben’ny orinasa, eny Ankorondrano, ahitana toeram-pitsaboana sy toeram-pitsaboana nify. Ho an’ireo mpiasa ivelan’ny renivohitra, OSTIE miisa 17 no miara-miasa amin’ny orinasa. Marihina fa nanamarika ny andro natokana ho an’ny fanentanana ny mpiasa momba ny andraikiry ny Orange amin’ny lafiny fahasalamana, fiarovana sy fiainantsoan’ny mpiasa ny hetsika ara-kolontsaina. Nanafana ny hetsika ny “Joyfull”, klioban’ny mpiasan’ny Orange amin’ny sehatry ny mozika. Tsy adino ihany koa ny dihy.
Ra-Nirina