Hisitraka “connexion” amin’ny vidiny ambany dia ambany sy haingam-pandeha ireo mpampiasa ny “cybercafé”. Noho ny fiarahamiasan’ny fikambanana ny “cybercafé” sy ny mpikirakira ny aterneto eto Madagasikara amin’ny orinasa Orange, nahazo tolotra mifanaraka amin’izany ireo tompona “cybercafé” izay mikambana ao amin’ny ACYBIMAD. “Efa niara-niasa tamin’ny Orange nandritra dimy taona ny fikambanana. Tombony ho anay mpikambana ny fanomezany tolotra manokana mba ahafahany ny mpanjifa tsy ankanavaka mampiasa ny aterneto”, hoy ny Filohan’ny ACYBIMAD, Rija RAKOTONIRINA.
Tombom-barotra.
Ankoatra ny fampiasana ny “réseaux 4G”, tolotra tsy mahafaty antoka ny tompona “cybercafé” no omen’ny Orange azy ireo. Nambaran’ny Tale Jeneralin’ny Orange, Michel DEGLAND fa hanampy ny mpikambana ao amin’ny ACYBIMAD amin’ny fampiroboroboana orinasan’izy ireo izao fiarahamiasa izao.
Nohamafisina tamin’ny alalan’ny fifanaovan-tsonia ity fiarahamiasa eo amin’ny Orange sy ACYBIMAD ity ny 04 oktobra 2017.
Nirina R.