Mifampiankina tanteraka andraikitrin’ny sampandraharaha misahana ny loza voajanahary sy ny ateraky izany na BNGRC sy ny ONN izay miandraikitra ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Teraka noho izany ny fiaraha-miasan’ny roa tonta. Tsy niandry ela fa tonga dia nomarihina tamin’ny alalan’ny fifanaovan-tsonia izany. Hifanohana amin’ny ady atao amin’ny tsy fanjarian-tsakafo eto Madagasikara ireto ratsa-maingaka ireto. Nambaran’ny Sekretera Mpanatanteraky ny BNGRC, Thierry VENTY, hiaraha-mamita ny politikan’asa mampifandray ny BNGRC sy ny ONN.
Anterivava : Thierry VENTY
Mila tohanana ny reny sy ny zaza rehefa amin’ny vanim-potoanan’ny loza voajanahary. “Marefo dia marefo mantsy izy ireo ka mila tohana ara-tsakafo tsara aloha sy mandritra ny loza”, hoy ny mpandrindra Nasionalin’ny ONN, Ambinintsoa Andriamboahangy RAVELOHARISON.
Nirina R.