Socio-eco

ONG NY FANAHY MAHA OLONA : Miala amin’ny voka-dratsy ateraky ny lavanty.


Nankinin’ny fikambanana « Ny fanahy maha olona »  amin’ny mpisolovava Willy RASOLONJATOVO ny raharaha momba ny fanaovana lavanty ny fanomezana avy any amin’ny Mpanjakan’i Dubaï. Ho fiarovana ny fikambanana amin’ny mety zava-doza hitranga no antony natrehan’ny fikambanana ny raharaha amin’ny Maitre Olala.  « Tsy manana fahefana amin’ilay entana intsony ny ONG izay tarihin’i Ny Rado RAFALIMANANA satria efa natolotra an’ny BNGRC izany mba hanampiana ireo traboina noho ny rivo-doza Enawo. Mikasa ny hanao lavanty azy ity  anefa ny eo anivon’ny fadintseranana. Atahorana ho lany daty sy efa simba ireo entana ka mety hiteraka fanapoizinana ara-tsakafo. Mba hiarovana ny fikambanana tsy ho voasaringotra ao anatin’izany izao fanapaha-kevitra izao », hoy i Olala.

 Tsy nozaraina kanefa nanao rango-pohy

 Mbola manery ny fitondram-panjakana fa indrindra ny BNGRC hanome fanazavana momba entana nomen’ny mpanjakan’ny  Dubaï sy ny fianakaviany ho an’ny traboina any amin’ny faritra SAVA ny ONG Ny Fanahy Maha olona. Nilaza ny Filohan’ny fikambanana fa nanao rango-pohy ho marika fa hizara ny entana ho an’ny traboina ny BNGRC nanolotra fanamarinam-panomezana an’ny ONG mihitsy ity farany ho fanamafisana izany. Fito volana aty aoriana, atao lavanty indray ireo fanomezana iray « container ».

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *