politique

OLAN’NY JIRO SY RANO: Tsy misy mihitsy ny fampandrosoana ny maha olona hoy ny antoko MAEVA


“Ahoana no ilazana fa mandroso nefa asaina milahatra rano hatramin’ny firy alina  ny olona, ny jiro tapaka lava? ”, hoy  i Raharimanana Mamy ,  Filohan’ny  antoko politika Madagasikara Endrika Vanona   (MAEVA).  Nambarany fa mikaikaika ny vahoaka, simba ny fiveloman’ny mpiasa tena. Miantso ny mpitondra izy mba hijery vahaolana faran’izay haingana hamahana ny olan’ny jiro sy rano eto Madagasikara.  Raha mampitaha ny zava-misy ankehitriny dia tsy misy mihitsy ny fampandrosoana ny lafiny maha olona, araka ny fanazavany. “Mino sy manantena aho  fa raha voavaha ny olan’ny jiro sy rano eto Madagasikara dia misy ampahany amin’ny fampandrosoana ny maha olona”.  Niforona ny taona 2007 ny antoko MAEVA. Ny fijerena ny maha olona, ny tontolo manodidina ny maha olona ary ny lafiny lalàna no foto-kevitra ijoroany. Nanao fanambarana ny antoko fa  tsy maintsy mijoro sy miteny manomboka izao fa tsy mety intsony ny fitantanana an’i Madagasikara.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *