Socio-eco

NIFIN’AKANGA: Hampihena ny taham-pahafatesan’ny vehivavy ny fampidirana ny fanalan-jaza amin’ny fomba azo antoka amin’ny sehatra ara-dalàna


Zava-misy eny anivon’ny fiarahamonina ny fanalan-jaza  na dia voararan’ny lalàna aza manao fampitsarahana vohoka na inona antony, raha eto Madagasikara. Antony faharoa mahatonga  fahafatesan’ny vehivavy  sy miteraka fahasarotana ara-pahasalamana anefa ny fanalan-jaza antsokosoko sy amin’ny fomba tsy azo antoka. Raha misy vehivavy 10 mitondra vohoka tsy iriana dia nisafidy nanala zaza ny enina (06) tamin’izy ireo, araka ny vokatry ny fanadihadiana nataon’ny  oniveriste afrikanina KWAZULU-NATAL   momba ny fahasalamana ara-pananahana teto Madagasikara, nivoaka ny taona 2020. Tanora vavy sy lahy 800, teto Antananarivo, tany Toliara sy Antsiranana no nanaovana izany fanadihadiana izany. Ankoatra ny vohoka tsy iriana dia antony iray hanaovana fanalan-jaza ihany koa  ny antony ara-pahasalamana (misy tsy fahatomombanana ilay zaza ao an-kibo na zaza antsoso-koditra), ny vohoka azo avy amin’ny fanolanana na firaisana ara-nofo tamin’ny olom-pady. Araka ny fanadihadiana nataon’ny Nifin’Akanga, ny taona 2020, momba ny fanalan-jaza eto Madagasikara dia antony ara-pahasalamana ny 78,1 % ny fampitsaharana vohoka, 15,36 % resaka fanolanana ary 6, 54 %.

Ranavela Kemba, Filohan’ny fikambanana Nifin’Akanga

Ranavela Kemba, Filohan’ny fikambanana Nifin’Akanga

Mitaky ny haneken’ny lalàna ny fanaovana fampitsaharana vohoka voaaro (interruption sécurisée de grossesse) ny fikambanana Nifin’Akanga. “Zava-misy eny amin’ny fiarahamonina ny fanalan-jaza fa ny miresaka azy no fady. Manala zaza amin’ny fomba tsy azo antoka ny ankamaroan’ny vehivavy. Ho famonjena aina, ho fiarovana ny zon’ny vehivavy no antony hitakiana ny fanovàna ny lalàna satria  manohitohina ny zon’ny vehivavy ny lalàna amin’izao, mamela ny vehivavy ho faty. Tokony  ao anatin’ny  tolotra momba ny fitsaboana ny fampitsaharana vohoka voaaro ary atao eny anivon’ny toeram-pitsaboana satria zo izany ary manana zo hisitraka tolotra ara-pahasalamana ny  olom-pirenena, ao anatin’ny vehivavy”, hoy i Ranavela Kemba, Filohan’ny fikambanana Nifin’Akanga. Ho an’ny fikambanana dia manana zo hisafidy izay fomba mety aminy ny vehivavy , manana zo hanatsahatra ny vohoka  amin’ny fomba azo antoka, tsy hisy fiantraikany amin’ny fahasalamany sy tsy maha voasazy.

 Nikarakara famelabelaran-kevitra narahina adihevitra, niresahana ny zo sy fahasalamana ara-pananahana eto Madagasikara sy ny fampitsaharana vohoka voaaro ny Nifin’Akanga ny 9 jolay 2024, teny Ankatso. Nanasa mpahay lalàna, dokotera ary rasazy ny fikambanana hanazava ny lohahevitra. Voaresaka tamin’izany ny fiantraikan’ny fanaovana fanalan-jaza amin’ny fomba tsy azo antoka, toy ny fanatonana olona tsy voahofana hanao izany na  tsy araka ny tokony ny fitsaboana azo, ny fihinanana fanafody na tambavy diso fatra. Nanamafy i Rasazy Kanto Malala fa ny fahaverezan-drà be loatra vokatry ny fanalan-jaza no mitarika fahafatesan’ny vehivavy. Nanamafy ny mpisolo vava Lemainty Princie fa voararan’ny lalàna ny manala zaza ary voasazy ao anatin’izany ilay vehivavy sy ny mpitsabo na olona manampy azy manao izany. Migadra heritaona ka hatramin’ny dimy taona an-tranomaizina ary mandoa lamandy 300.000 Ariary ka hatramin’ny folo tapitrisa Ariary  ny sazy raha tratra manao izany. Tsiahivina fa efa nandefa tolo-dalàna momba ny fampitsaharana vohoka noho ny antony ara-pahasalamana (ITG) ho dinihina teny amin’ny Antenimieram-pirenena  i Masy Goulamaly, Solombavambahoaka teo aloha, voafidy tany Tsihombe, ny volana oktobra 2021 saingy  tsy nampidirina tao anaty laha dinika nandritra ny fivoriana teny amin’ny Lapan’ny Tsimbazaza mihitsy izany.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *