Socio-eco

MPANAO GAZETY MIVONDRONA AO AMIN’NY REMAPSEN MADA: Mandray anjara amin’ny ady atao amin’ny VIH/SIDA


Loza mitatao ny VIH/SIDA. Nanatanteraka hetsika fanaovana fitiliana momba VIH/SIDA ny  tambazotran’ny mpanao gazety afrikanina misehatra amin’ny fampiroboroboana ny fahasalamana sy ny tontolo iainana (REMAPSEN), sampana eto Madagasikara ny 17 septambra 2024. Teny amin’ny biraon’ny fikambanana Hygeai Médical, Andraharo no nanaovana izany. Natao ho an’ireo mpanao gazety mivondrona ao amin’ny REMAPSEN ny fitiliana saingy afaka nanao izany ihany koa ireo mpanao gazety na tsy mpikambana aza. “Misy sampana vitsivitsy ao anatin’ny REMAPSEN. Misy sampana momba ny zo sy fahasalamana ara-pananahana, SDSR na DSSR no ahafantarantsika azy. Fantatsika fa loza mitatao ny VIH/SIDA ka tsy mijanona ho mpanao gazety ihany izahay fa maneho ohatra ho an’ny olom-pirenena rehetra ihany koa. Zava-dehibe ny afahantarana ny mikasika ny tena”, hoy i Rakotondratsimba Vonona, Filohan’ny fikambanana. Miantso ny fikambanan’ny mpanao gazety manerana ny Nosy izy mba hanentana ny mpikambana hanao fitiliana. “Isika mampahafantatra, manentana ny olona  nefa isika tsy mahafantatra ny tenantsika”, hoy izy manamafy ny fanentanana ho an’ny mpanao gazety. Niarahana  tamin’ny firaisamonim-pirenena « Forum Génération Egalité » na FGE ny fikarakarana ny hetsika.

Fihetsika tsy eritreretina dia ahazoana ny tsimokaretina

Nanamafy  i  Rasamiharimalala Volana, rasazy ao amin’ny Hygeia Médical fa zava-dehibe ny fanaovana fitiliana ny SIDA mba  ahafantarana fa mitondra ny tsimokaretina. “Ny ankabeazan’ny olona mieritreritra foana fa  olona mijanganjanga, miovaova olona iarahana, miaraka amin’ny makorelina no voan’izany aretina izany fa fihetsika tsy eritreretina  dia hahazoana ny aretina”. Noho izany tsy avy amin’ny firaisana ara-nofo tsy voaaro ihany no ahazoana ny tsimokaretina VIH/SIDA fa mety azo amin’ny alalan’ny fomba maro, toy ny fitsindromana rongony  ka mampiasa fanjaitra efa nifandimbiasan’ny  olona maro,  ny fanaovana “tatouage”  ka tsy voadio ny fitaovana ampiasaina, ny fanetezana volo any amin’ny mpanety ka tsy voadio ihany koa ny “areza” ampiasaina. Mifindra ao amin’ny zaza ao am-bohoka ihany  koa ny tsimokaretina raha toa ka  voa ilay raim-pianakaviana ary mamindra amin’ny renin’ilay zaza. Ankoatra izany, mampirongatra ny VIH/SIDA eto amintsikany firaisana ara-nofo eo amin’ny lahy sy lahy, araka ny fanazavan’i rasazy Volana. “Manao firaisana ara-nofo amin’ny lavaky ny maloto izy ireo ary misy ratra aterak’izany. Iny ratra iny no vavahady idiran’ny tsimokaretina satria mifindra amin’ny alalan’ny ny rà ny SIDA”.  Manamafy i rasazy fa tokony manao fitiliana daholo ny rehetra, indrindra ny tanora 15 ka hatramin’ny 24 taona. Betsaka mantsy ny tanora mitondra io aretina io, raha ny fanazavany. Fikambanana mpanao asa soa amin’ny lafiny fahasalamana, indrindra ny fahasalamana ara-pananahana ny Hygeia Médical. Nanomboka  ny taona 2023 no nisokatra ny ivon-toerany eny Andraharo. Olona 30 no nanaovan’ny fikambanana fitiliana momba ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo tao anatin’izay fotoana izay ka ny roa (02) amin’ireo no mitondra ny tsimokaretina VIH/SIDA. Araka ny fivoriana niarahan’ny fikambanana tamin’ny mpisehatra maro dia “ahiana ho faritra mena i Madagasikara ato ho ato amin’ny resaka SIDA”.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *