Socio-eco

MPANAO GAZETY HO AN’NY FARITRA AROVANA : Misokatra ny fifaninanana andiany faharoa


Mitentina 3.500.000 Ariary ny tohana avy amin’ny FAPBM sy ireo mpiaramiombon’antoka. Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny 25 jolay 2024 teny Antaninarenina ny andiany faharoa amin’ny fifaninanana ahazoana tohana anaovana fanadihadiana ho an’ny mpanao gazety. Ity hetsika ity dia mikendry ny hamporisihana sy hanohanana ireo mpanao gazety mikirakira ny tontolo iainana sy ireo karazanjavamananaina ao aminy. Hanao fanadihadiana miavaka momba ny vondron’olona ifotony sy ireo manam-pahaizana mandray anjara amin’ny fiarovana ny karazanjavamananaina ary koa hanasongadinana ireo faritra arovana saro-dalana. Mifarana ny 18 aogositra 2024 ny fametrahana antontataratasy ilaina amin’ny fandraisana anjara. Miara miasa amin’ny Tahirim-bola ho an’ny Faritra arovana sy ny zavamananaina eto Madagaikara (FAPBM) ny tetik’asa Varuna izay tohanan’ny AFD sy tontosain’ny Expertise France, ny ivon-toeram-pikarohana ho an’ny  fampandrosoana (IRD) amin’ny alalan’ny tetik’asa Varuna Siansa ho an’ny faharetana ary ny REMAPSEN MADA (Réseaux des Médias  Africains  pour la promotion de la santé et de l’environnement).

Hiompana amin’ny lohahevitra hoe « Ireo tanora mahery fo amin’ny fikolokoloina karazanjavamananaina » ity andiany faharoa ity. « Amin’ity indray mitoraka ity dia te hanasongadina ny anjara asan’ny tanora eny anivon’ny vondron’olona ifotony mikolokolo ny karazanjavamananaina sy mitantana maharitra ny faritra arovana eto Madagasikara izahay. Maniry ihany koa ny hanasongadinana ny maha zava-dehibe ny andraikitra sahanin’ireo tanora manam-pahaizana misehatra eny ifotony sy ny fanamby atrehan’izy ireo ny fifaninanana », hoy i Rindra MIARIVOLOLONA, miandraikitra ny serasera ao amin’ny FAPBM.  Ny tanjona dia ny hisarihana ny sain’ny manam-pahefana isan’ambaratongany amin’ny lanjan’ny fandraisan’ireo tanora ireo anjara amin’ny fiarovana ny vakoka voajanahary eto amintsika manoloana ny fivoaran’ny olana ara-tontolo iainana. Miisa enina(6) no hahazo tohana amin’ity andiany ity. Mpanao gazety misehatra amin’ny  sokajy gazety an-tsoratra, gazety anah’Abaka (web), Radio ary TV ka enina tsara naoty indrindra no ahazo ny tohana.

Fepetra ny fifaninanana

  • Mpanao gazety malagasy na vahiny mipetraka eto Madagasikara. Tsy mifidy taona.
  • Mahafe ny teny malagasy na teny frantsay.
  • Tsy mbola nahazo tamin’ny andian’ny voalohany
  • Ny mpifanina dia tsy maintsy misafidy amin’ireo faritra arovana vatsian’ny FAPBM vola
  • Tsy ao anatin’ny intsony ireo faritra arovana tamin’ny andiany voalohany, toy i Bemanevika, Andrafimena, Andavakoera, Maromizaha, Marotandrano, Nosy Tany kely.
  • Manangana tetik’asa fanadihadiana mifanaraka amin’ny lohahevitry. Manaja ny tetiandro hanantanteraha ny fanadihadiana.
  • Fanadihadiana miavaka sady tsy mbola nandeha tamin’ny haino vaky jery

Ireto avy ireo antontataratasy ilaina kosa dia :

  • Taratasy filatsahana avy amin’ny FAPBM
  • Cahier de charge misy ny tetikasa fanadihadiana
  • CV ny mpifaninana
  • Manome sangan’asa efa natao
  • Taratasy avy amin’ny orin’asan-tserasera fa andefa ny vokatrin’ny mpanao gazety

Azo atao ny mijery Ity ny rohy ity : https://www.fapbm.org/appel-doffres/

Alefa amin’ny mailaka, mail@fapbm.org ny antontataratasy.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *