Socio-eco

MPANAKANTO BIG MJ: Voatendry ho ambasadaoro vaovao an’i Orange sy Orange Money Madagascar


Anisan’ireo mpanakanto manana ny lazany i Big MJ na eto an-toerana na any ivelany. Nosafidian’ny Orange sy Orange Money Madagascar izy ho ambasadaoro vaovao an’ireo marika roa ireo. Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy ny 5 septembra 2023 ity fiarahamiasa eo amin’ny telo tonta ity. Ahitana an’i Big MJ avokoa manomboka izao ny hetsika rehetra karakarain’ny Orange sy Orange Money fa indrindra hetsika fampahahafantarana ireo tolotra omen’ny orinasa. Handray anjara amin’ireo dokam-barotra ihany koa i Toeraniaina Parfait,  tena anaran’i Big MJ. « Lasa mahasarika olona marobe i Big MG. Efa iray tapitrisa mahery ny mpanaraka azy ao amin’ny Facebook sy Instagram. Miteraka resabe, adihevitra, fandraisana andraikitra izay rehetra alefany na mandeha ao amin’ny tambazotran-tserasera sosialy. Ambasadaoro idealy, hampahafantra ny tolotranay amin’ireo tanora izy.  » hoy i Carine Lefriec, Tale misahana ny fampiroboroboana  ny  varotra eo anivon’ny Orange Madagascar.

17 taona niseharana teo amin’ny tontolon’ny mozika i Big MJ. Nampitombo fiarahamiasa tamin’ny mpanakanto teto an-toerana sy any ivelany izy tamin’ireo fiarahana mihira. Ny taona 2019 ohatra dia namoaka hira niaraka tamin’ny mpanao rap frantsay Blacko, mpikambana ao amin’ny tarika Sniper  izy. « You Can Change » no lohatenin’io vokatra io. « Faly aho fa tafiaraka amin’ny fianakaviamben’ny Orange Madagascar. Tambazotra akaiky ny mpanjifa sy mihaino hatrany fangatahan’ny vahoaka. Tena zava-dehibe izany raha ny hevitro », hoy ny mpanakanto Big MJ. Tao anatin’ny 20 taona nisian’ny Orange teto Madagasikara dia nandray ny andraikiny tamin’ny fampiroboroboana ny mozika sy kolontsaina, fanosehana ny mpanakanto Malagasy tamin’ny alalan’ny hetsika isan-karazany ny orinasa.

  Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *