Socio-eco

MOUVEMENT GASIKARA : Tambazotra lehibe hanavotana an’i Madagasikara


Tsy misy intsony ny izaho sy ianao fa isika. Nampahafantarina teny Antaninarenina ny 14 aogositra 2024 ny tambazotra lehibe « Mouvement Gasikara » (MG). Mitarika azy ny solombavambahoaka GASCAR Fenosoa sy ireo ekipany. Foto-kevitra hijoroan’ity solombavambahoaka ity hitodra ny fanovana amin’ny fomba fanaovana politika eto Madagasikara. Hitondra tsikelikely ny anjarabiriky mba hanovana ny tantara sy ny hoavin’i Madagasikara ary ny fiainan’ny Malagasy. Miheritreritra ny rehetra fa roa ny vondron’olona eto Madagasikara ka rehefa tsy mpomba ny fitondra dia mpanohitra. 20 taona no nifanolanan’ny TIM sy ny TGV ka tokony ho faranana izany. Natsangana ity hery fahatelo ity mba hivondronan’ny Malagasy rehetra. « Malagasy ianao vao mpanohana antoko politika. Mipetraka ho mpampitambatra ( rasembleur) aho. Miantso ireo olom-pirenena rehetra tsy an-kanavaka na mpoba an’iza ianao taloha dia antsoina hiara hientana, hiara hisalahy hitondra vahaolana ho amin’ny fampandrosoana ny firenena », hoy ny solombavambahoaka GASCAR Fenosoa. Noho izany dia misokatra ho an’ny rehetra ny MG ka vonona, mitovy fijery, mitsinjo ny tombotsoan’ny be sy ny maro ary maniry ny hanova ny hoavy sy ny tantaran’i Madagasikara. Hovaina ny fanasohasoana olona, hoy izy. Sahy nijoro izy ary efa natombony teny amin’ny lapan’ny Tsimbazaza ny fanovàna ka tsy ny tombotsoa manokana fa ny an’ny vahoaka Malagasy indrindra ny vahoaka nifidy azy tao amin’ny boriboritany fahatelo. « Malalaka tanteraka aho ary tsy manana « patron » afatsy ny vahoaka irery ihany eny amin’ny Antenimierampirenena », hoy hatrany ity solombavambahoaka ity. Mbola lavitra ny lalana ho diavina raha tena hitondra rivo-panovana amin’ny fomba amam-panao eny Tsimbazaza. Na dia irery aza izy amin’ny ady hatrehany dia noteneny fa hery lehibe manosika  azy ao an-damosiny ny fahatsapany fa manohana azy isika.

Nanampa-kevitra ny « Mouvement Gasikara » fa handray an-jara amin’ny fifidianana ben’ny tanana. Tanjona ny hanenika ireo kaominina rehetra manerana an’i Madagasikara. Noho izany, miantso ireo izay mety efa manana fanirina ny hirotsaka ho kandidà ben’ny tànana hitambatra ao amin’ny MG. Ankotra izay, misokatra ho an’ny rehetra ny MG raha entanin’ny fitiavan-tanidrazana.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *