“Ho dorana avokoa ireo karazan-tsakafo miditra eto Madagasikara tsy manaraka ny fenitry ny fahasalamana”. Nambaran’ny Tale misahana ny fitsirihana ny antoka ara- pahasalamana sy ny kalitaon’ny sakafo (ACSSQDA), Joely Nirina RAKOTOVAO RAVAHATRA fa ho giazana ireo entana rehetra varotana eny an-tsena ka tsy nandalo fitsirihana ara-pahasalamana mba hisorohana ny fahapoizinana ara-tsakafo.
Sakafo azo antoka
Miantoka ny fahasalaman’ny vatana ny fihinanana sakafo azo antoka sy ara-pahasalamana. Miompana amin’izany indrindra ny androm-pirenena ho fampiroboroboana ny sakafo azo antoka sy tsara kalitao, andiany faharoa. Ho tanterahina ny 17 sy ny 18 Novambra 2017, eny amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena Mahamasina ity hetsika ity.
Hanome aina ny hetsika ireo mpiantsehatra manodidina ny sakafo miisa 45. Ankoatra ny fivarotana sakafo manaraka ny fenitra sy ny lalana ary ny fitsipika tokony arahina amin’ny fikirakirana sakafo, hisy ny fitiliana diabeta, tosi-dra ary fahatavezana maimaim-poana mandritra ny roa andro.
Nirina R.