Mihatsara hatrany ny fikarakarana ny Marathon International de Tana (MIT). Nohatsaraina ny fitandroana ny filaminana mandritra ny hetsika izay hotontosaina ny 14 sy ny 15 oktobra 2017. « Noho ny fiarahamiasa amina orinasa miasa amin’ny fitandroana ny filaminana, ho rakotra mpiambina avokoa ny toerana hanaovana hazakazaka, natokana ho an’ny ankizy… », hoy ny mpikarakara avy ao amin’ny World Trade Center, Mercedes RATSIRAHONANA.
Ankoatra izany, hiavaka ity MIT, andiany faha-17 ity satria ho feno kilalao ny toerana natao ho an’ny ankizy (maratoons land). Nambarany fa afaka mianoka tsy misy ahiahy mandritra ny lalao handraisany anjara ny ray aman-dreny, amin’ny fametrahana ny zanany.
Hanome aina ny MIT ihany koa ny “mascotte” Malaky.
Nirina R.