politique

MANANDAFY Rakotonirina Miala amin’ny « décolonisation » mankamin’ny « mondialisation ».


Miala amin’ny fanjanahantany amin’ny endriny vaovao i Madagasikara ka miditra tanteraka ao amin’ny fanatontoloina. Izany raha fintinina ny famakafakan’ny filohan’ny MFM Manandafy Rakotonirina ny zotra harahan’ny firenena malagasy ankehitriny. Anterivava natokany ho an’i Délire Madagascar.

Anterivava : Manandafy Rakotonirina

Délire Madagascar : Atoa Manandafy Rakotonirina, faly miarahaba anao tratranny taona tompoko. Amin’izao fotoanan’ny fanatontoloina izao hiala marina amin’ny fanjanahantany amin’ny endriny vaovao ve isika tompoko?

Manandafy Rakotonirina : « Ny mahazatra ny mpanao politika malagasy sy ny olona teto Madagasikara dia niady tamin’ny fanjanahantany. Ny zavatra nataontsika ho zava-dehibe teto tamin’ny fandehan’ny raharaham-pirenena teto amintsika dia ny fialana tamin’ny fanjakazakan’ny vahiny teto amintsika. Efa voadingana izay amin’izao fotoana izao, ary efa miditra eo amin’ny dingan’ny « mondialisation » isika. Izany hoe mitambatra izao tontolo izao, manjary firenen-dehibe daholo. Ny zavatra tokony ho tratrarintsika Gasy izany izao dia mba ho isan’ny Groupe des 20, anisan’ny olona mba hakan-kevitra amin’ny fitondrana ny raharaha iraisam-pirenena satria ny mitarika eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena izao dia manomboka mitombo lanja ny Sinoa sy ny Karana, ny Amerikana sahirankirana ihany sy ny Russe, na manankarena aza sy manana fiadiana matanjaka, sahirankirana ihany eo amin’ny itondrana an’izao tontolo izao. Ny Eoropeana moa sahirankirana ihany koa. Ka isika izany ny fisondrontantsika eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena izay, izay dingana izay dia nahavita dingana ngezabe i Madagasikara tamin’ny taon-dasa 2016, ary hiroso amin’izay isika hihamafy izay amin’izao fotoana izao. Teo izao isika, ny nanaovana an’io CCI io tamin’ny voalohany hanaovana Francophonie sy ny Union Africaine. Izaho mino fa amin’ny dingana manaraka dia hahazaka handray ny UA eto koa isika sahala amin’ny nandraisantsika ny COMESA sy ny Francophonie. Ny Francophonie tamin’ny voalohany nisalasalana hoe fanjanahantany ankolaka io. Fa amin’izao fotoana izao, rehefa jerena ny lanjan’ny firenen-dehibe ao anatin’ny Francophonie sahala amin’ny Canada, dia tsy manjaka samirery akory ny Frantsay ao anatiny io, fa mifanampy amin’ny firenen-dehibe sahala amin’i Canada sy ny aty Afrika. Ny Francophonie izany manana endrika hafa izao, sahala amin’izany koa ny COMESA. Misokatra aty amintsika izao ny fifandraisana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Hampisondrotra antsika io, ary izay no antenaina hoe hihamafy kokoa amin’ny taona manaraka. »

Anterivava nataon-dRazaka Oliva


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *