Manampy ny mpandraharaha hampiroboroboana ny sehatra iasany ny fampiasana ny vokatry ny teknolojia. Anisan’izany ny aterneto haingam-pandeha izay manatsara ny kalitaon’ny tolotra ho an’ny tsena anatiny. Eo ihany koa ny fisokafana amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Manoloana izany, manakaiky hatrany ny mpiantsehatra amin’ny resaka fandraharahana ao Mahajanga ny Orange Madagasikara.
Nambaran’ny Ben’ny Tanana ny Kaominina Ambonivohitry Mahajanga, Mokhtar Salim ANDRIANTOMANGA, nandritra ny fampahafantarana ny « réseau 4G » ny Orange tany an-toerana fa manamora ny asam-panjakana ny fisian’ny teknolojia. Manaporofo izany ny fandoavana ny haba tsena amin’ny alalan’ny finday. Nanamafy izany fiarahamiasa izany ny kaominina sy ny Orange. Ankoatra ny fametrahana « connexion internet » ao amin’ny biraon’ny kaominina, hiparitaka manerana ny faritra Mahajanga ny aterneto haingam-pandeha 4G an’ny Orange.
Fizahan-tany
Mampiavaka an’i Mahajanga ny tontolon’ny fizahan-tany. Hahazo tombony amin’ny fampiasana ny 4G an’ny Orange ireo mpandraharaha miasa amin’izany. “Ho mora amin’izy ireo ny mifandray amin’ny mpanjifa sy ireo mpiara-miombona antoka eto an-toerana fa indrindra any ivelany”, hoy ny Tale Jeneralin’ny Orange, Michel DEGLAND.
Nirina R.