Socio-eco

MADAGASCAR FASHION WEEK: Fitadiavana lalam-barotra ho an’ny mpamorona lamaody Malagasy.


Efa kely sisa ny toerana ho an’ireo te handray anjara amin’ny fampisehoana ny vokatry ny  asa tanany eo amin’ny sehatry ny lamaody. Ny 09 oktobra 2017 no hifarana ny fisoratana anarana amin’ny “Madagascar Fashion Week Océan Indien” izay ho tontosaina any amin’ny Nosy Sainte-Marie, ny 28 ka hatramin’ny 30 desambra 2017 ho avy izao. “Manentana ireo mpamorona matihanina  amin’ny sehatry ny lamaody na mpisehatra vao erotrerony ao anatin’ny lamaody hisoratra anarana  mialoha io daty voatondro io”, hoy ny Filohan’ny fikambanana Jeunes Volontaires sady mpikarakara ny hetsika, Alexandre RAKOTOSON.

Lalam-barotra.

 Hanatrika ny “Madagascar Fashion Week Océan Indien” ireo mpisehatra rehetra momba ny lamaody manerana ny ranomasimbe Indiana. Varavarana ahafahan’ny mpamorona Malagasy mitady lalam-barotra any ivelany toy i Afrika, Eropeanina, Asia ity andiany ity.

Lamaody sy ny kolontsaina.

Akanjo, firavaka, poketra, kiraro, taovolo mifanaraka amin’ny  vaninandro mafana no haseho mandritra ny telo andro. “Hampianoka ny mpitsidika ny ny kolontsaina Malagasy amin’ny alalan’ny lamaody izahay mpikarakara”.

Marihina fa ho fahatsiarovana ny namana solontenan’i “Madagascar Fashion Week”  any Frantsa ihany koa ity andiany ity.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *