Socio-eco

LIONS CLUB AMBOHIBAO LAKA: Hikarakara fizahana maso ho an’ny ankizy sy hanohy ny fandraisana anjara amin’ny fitsaboana ny homamiadan’ny ankizy


Nahazo Filoha vaovao ny Lions Club Ambohibao Laka. Randrianomenjanahary Rinah no voafidy hitondra ny fikambanana ho an’ny taom-piasana 2024-2025. Notanterahina ny 23 jona 2024, teny Antaninarenina ny famindram-pahefana teo aminy sy ny Filoha teo aloha, Lemort Fabrice. Miompana amin’ny fizahana maso maimaim-poana ho an’ny ankizy latsaky ny 15 taona, ny fanentanana ny ankizy 11 ka hatramin’ny 13 taona handray anjara amin’ny fifaninanana famoronana afisy momba ny filaminana ny fandaharan’asan’ny birao vaovao. Fifaninanana karakarain’ny Lions Club International ahafahan’ny ankizy maneho ny atao hoe: filaminana izy ity. Laharam-pamehana ho an’ny Lions Club Ambohibao Laka ihany ny fanohizana ny fandraisan’anjara amin’ny fitsaboana ny homamiadan’ny ankizy. Nambaran’ny Filoha vaovao fa miara-miasa ny fikambanana Lions Club manerana an’i Madagasikara amin’ny fanohanana ny servisy misahana ny homamiadan’ny ankizy, ao amin’ny hopitaly HJRA Anosy, amin’ny alalan’ny fampitaovana, toy ny fanomezana fitaovana medikaly.

Nilaza ihany koa i Randrianomenjanahary Rinah fa ho tohizana ny asa vitan’ny Filoha teo aloha sy ny efa natao hatramin’izay, toy ny fanampiana ny Akany Felana Maitso Ambohibao, Akany Ifanaovantsoa. Asa efa nataon’ny fikambanana hatramin’izay ihany koa ny fizarana fitaovam-pianarana. Amin’ny lafiny fanjarian-tsakafo, manana vina handray anjara amin’ny “caravanne du Sud” ny fikambanana. “Asa ataon’ny fikambanana ny fanohanana ireo mpiara-belona manana fahasahirana. Mifototra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana, ady amin’ny areti-maso, ady amin’ny diabeta, ady amin’ny homamiadan’ny ankizy, ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ny sehatr’asa iraisan’ny fikambanana Lions Club manerana an’izao tontolo izao”, hoy izy nanazava ny iraka ataon’ny fikambanana. Nahatratra 2.885 ny isan’ny  mpahazo tombontsoa tamin’ny fotoam-piasana 2023 – 2024, araka ny tomambana nolazain’ny Filoha teo aloha. Hanomboka ny voalohany ny  volana jolay 2024 ary hifarana ny 30 jona 2025 ny taom-piasana vaovao. Marihina fa notontosaina ny 23 jona 2024 ihany koa ny fampahafantarana ireo mpikambana vaovao ao amin’ny Lions Club Ambohibao Laka sy fankalazana ny faah-11 taona nijoroan’ny fikambanana.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *