Socio-eco

LALAMPIRENENA FAHA-4 SY FAHA-6: Loza iray, loza roa, loza telo…


Tsy hialan-tsampona ny lalampirenena rehetra manerana an’i Madagasikara, indrindra ireo mampitohy seranan-dehibe sy tanàna lehibe toy ny faha-2 sy faha-7. Na izany aza anefa, dia mba misy fotoana ihany tsy nitrangan’ny loza fifamoivoizana etsy sy eroa.

Ny tontolo andro sy alina hamakivakiana ny lalampirenena roa mampitohy an’i Diego sy Antananarivo dia hahitana loza samy hafa fitrangana. Anisan’izany itony camion be semi-remorque nifampitarika amy câble ka nilaozan’ny frein teo amy fidinana ilay notaritina, ka namantana nidaraboka amoron’antsana. Tsy nisy ny aina nafoy, fa ny tena olana dia nibahana lalana ilay camion be nitarika ka nanjary tapaka ny lalana ka tsy afaka nandeha intsony ny rehetra, na ny midina na ny miakatra. Fifamaliana koa no re raha mba miangavy ireo voatazona ny mba hanitsihitsiana ilay camion mpitarika. Fampiakaram-peo miaro teny tsy madio no setriny. Ny mpanao gazety manao ny asany maka sary mba hampahafantatra ny besinimaro ny fahorian’ny camioneurs manao ny asany indray koa aza no mahazo fandrahonana. Tratran’ny be noho vitsy ihany anefa ilay tompon’ny camion nidaraboka amoron’antsana ka nanaiky nanakisaka ilay mpitarika, ary dia afaka nihorirana amoron’antsana koa ny rehetra tsy te handry an-dalana eo. 60 km atsimon’Ambanja no nitrangan’izany.

Asa koa izay nanjo itony semi-remorque be an’ny Sinoa ao amy China Shipping fa dia nikipily any anaty antsana koa ilay semi. Tavela nitsivalam-pandry teo koa. Nisy ambiny malalaka ihany anefa ny ankavanan-dalana koa dia afaka nisompirampirana avokoa izay nandalo teo na kely na lehibe. Tsy nisy maty koa na naratra mafy fa ny entana no be niraraka, na koa navoaka mihitsy hahamaivana ny fampiakarana. Tany ambadik’Ambalabongo andrefan’i Maevatanana no niseho ny tsy nety.

Fa ireo Karana nitafy fanamiana fitondra mianjaika (hivavaka) kosa dia nisy namoy ny ainy raha nilaozan’ny frein teo anelanelan’Andriba sy Mahatsinjo ny Sprinter izay heverina fa nofaina. Soa fa teo ambany mason’ireo fiara maromaro nifamoivoy tamy RN4 no nitranga ny loza ka afaka nanao tana-maro namonjy sy namoaka ireo naratra mafy tanaty fiara nidaraboka. Tazana ho voa mafy ihany ilay Karana zokiolona roa navoaka voalohany teo amy varavarankely fivoahana raha misy loza.

Ny andro rahateo mafana be ka tsy manamora ny figenagenaina ireo maratra mafy nosokirina tao. Loza iray, loza roa, loza telo… Be loatra raha mihoatra izay!

Razaka Oliva


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *